Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Hisaotra ny vahoakan’i Faratsiho i Lalatiana Rakotondrazafy. Hanatanteraka hetsika sy lanonana ary fihaonambe any an-toerana ny tenany ny sabotsy ho avy izao. Hatao ao amin’ny kianjan’Anosilava izany. Handa­ha-teny amin’izany ny tenany ka anisan’ny teny fanevany ny: “Tsy misy fankahalana mandresy fitiavana”. Hana­fana ny hetsika ny tarika Rebika. Kandidà voalohany naneho […]

Fiaraha-miasa: nidera ny FFKM ny mpandrindra ny ONU

Nanao veloma ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM ny mpandrindra maharitra eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU), i Issa Sa­nogo, omaly. Voatendry hiasa any Kameronina indray ny te­nany rehefa nahavita ny iraka nampanaovina azy nandritra ny efa-taona teto Madagasi­kara. Nankasitrahany, tamin’ izany, ny ezaka fanelanelanana sy ny famahana olana teto amin’ny firenena […]

Tsy ho tsangan’olona…

  Vao tsy manomboka akory ny fandrafetana ny birao maharitry ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza dia miely sahady ny feo amin’ny fanaparitahana vola mba ho voafidy ny « debadeba » ao amin’ny tanàna. Na ny lalàna anatiny hifehy ilay andrimpanjakana aza anefa mbola vao hovolavolaina. Tokony ho vita omaly, saingy toa rava maina […]

Antenimierampirenena: hanitsy ny fitsipika anatiny !

Nivory voalohany teny Tsimbazaza ny depiote vaovao 163 mianadahy, omaly. Santarina amin’ny fanovana ny fitsipika anatiny izany. Miandry ny fifidianana ny mpikambana amin’ny birao maharitra. Solontena 13 avy amin’ny vovonana Irmar, valo tsy miankina, telo vondrona Firaisankina, ary iray Fivoi. Ireo ny depiote handrafitra ny vaomiera manokana handinika ny fanitsiana […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja ireo lehilahy roa naniratsira mpitandro filaminana teo am-panantontosana ny asany, tao Talata Volonondry, afakomaly. Mitonona ho mahafantatra mpitsara ambony izy roa lahy ireo ka notevatevainy ny zandary. Nosamborina izy roa lahy ka voatazona vonjimaika any am-ponja. Voasambotry ny zandary tao Ankadivory, fokontany Ambohimamory, kaominina Andranonahoatra, ny mpanendaka iray, […]