Auteur/autrice : Adnews

Filoha lefitra fahafito eny amin’ny antenimiera: hiady ny toeran’ny mpanohitra eny Tsimbazaza ny Tim

Hifamotoana eny amin’ny Magro Tanjombato ireo mpikatroka eo anivon’ny Tim, ny sabotsy izao. Eo ny fanamarihana ny faha-22 taon’ny antoko fa anisan’ny andrasana koa ny hevitr’izy ireo momba ny eo anivon’ny Antenimierampirenena. Mbola ifandroritana? Mivonona ny haka ny toeran’ny filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Ante­nimierampirenena ny eo anivon’ny antoko Tim. […]

Vondron’ny depiote tsy miankina : “Tsy nisafidy ny ho mpanohitra izahay”

“Tsy nisafidy ny ho mpanohitra izahay, ary tsy nirotsaka koa tamin’ny Irmar izay nanana ny kandidàny”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Vohi­pe­no, faritra Fitovinany, Raza­fi­tsi­ala Velomanana Solomampio­no­na, ny amin’izay toeran-dry zareo eny anivon’ny Anteni­mie­ram­pirenena. Ao anatin’izay hoe tsy miankina izay no mi­asa, fa afa-miara-miasa tsara amin’ny […]

Antenimierampirenena : firaisankina ny filoha lefitra fahafito

“Raha ny lalàna, manery ny eto anivon’ny Antenimie­ram­pirenena fa tsy maintsy omena ny mpanohitra izay filoha lefitra fahafito izay”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Ante­ni­mierampirenena mpisolo toe­rana, Rabenirina Jean-Jacques, teny Tsimba­zaza, omaly, momba ny toeran’ny mpanohitra eny Tsimbazaza. Filoha lefitra iray isaky ny faritany, ary ho an’ny mpanohitra ny filoha lefitra […]

Maka Alphonse : “Mila firaisankina isika amin’izao misy ny firenentsika izao”

Aorian’ny fifidianana izao… Tsy misy ny krizy politika, novoizina sy nitaizan’ny mpanao politika sasany ny vahoaka hatramin’izay: krizy aorian’ny fifidianana. Ahoana koa ny manaraka? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Inona no hatao hampaharitra ny fitoniana amin’izao […]

SOMBIM-BAOVAO

Hitohy ny alahady 7 jolay ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, «Top 20», taranja rugby, sokajy Elite 2. Hifandona amin’izany ny CEA sy ny FBM Itaosy ary ny JSTA Ambondrona sy ny FTAT Anosibe. Rosa hifampitana amin’ny XV Family ary […]