Mitaky ezaka amin’ny lafin-kery rehetra ny ady amin’ny fampiasana ankizy eto Madagasikara. Mbola maro ireo ankizy lasibatra vokatry ny fahantrana ka voatery miasa na lasa entam-barotra mihitsy. Niresaka manokana momba ny ady amin’ny fampiasana ankizy ny mpitsara ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mahajanga sady lefitry ny lehiben’ny fampanoavana, Rasoahasinjara […]
Auteur/autrice : Adnews
Sehatry ny rano : hampirisihana hiditra ny tanora
Notanterahina tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, afakomaly, ny atrikasa momba ny filana sy fanofanana ny asa mahakasika ny rano eto Madagasikara. Atrikasa tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Defi eau”. Fandaharanasa eoropeanina hametrahana Sampam-pampianarana momba ny rano eny amin’ny Oniversitem-panjakana manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy. “Ho fampiofanana sy fampirisihana ny tanora […]
Sendikan’ny MEETFP: “Mitaky minisitra manana traikefa izahay”
Nilatsaka sahady ny fampiomanana. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikàn’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), omaly. Nambaran’ny sekretera jeneraly nasionaly, Rakotoarison Claude Marie, nanao sonia izany, fa tena nitotongana ny sehatry ny fampianarana teknika nandritra ny taona maro. Manoloana izany, nametraka fepetra sy masontsivana izy ireo amin’ny fanendrena […]
Fifandanjan-kery eny Tsimbazaza: depiote tsy miankina miisa 45 hanohana ny fitondrana
Tapa-kevitra tanteraka. Nanao fanambarana, omaly, ireo depiote miisa 45, voafidy tamin’ny tsy miankina fa hanambatra hery ka hanangana vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimierampirenena. Nambaran’ny depiote Rakotoniaina Pety sy ireo namany fa mitovitovy hevitra avokoa izy ireo ka nivory ary izao tapa-kevitra izao. “Anto-pisian’ny solombavambahoaka ny hitondra ny hetahetan’ny distrika nahavoafidy […]
Antenimierampirenena: 15% ny mpikambana no vehivavy
Miisa 25 ny vehivavy nahazo ny toerana maha solombavambahoaka, nandritra ny fifidianana farany teo. Araka izany, 25 amin’ny 163. Ny enina amin’ireo 25 ireo no efa nitana ny andraikitra maha solombavambahoaka azy. Mbola ezaka mafy, araka izany, no hatao hanatrarana ny miralenta, izay eritreretina hapetraka eo anivon’ny Antenimierampirenena. Distrika 58 […]




