Auteur/autrice : Adnews

Natomboka teny amin’ny Ivokolo : volana jolay, volan’ny sary hosodoko

Efa nisy ny “Hosotra” taloha. Nomena sehatra bebe kokoa ity seha-kanto ity nanomboka ny taona 2021, ka raikitra ny “Iray volan’ny sary hosodoko”, isaky ny volana jolay. Inona no hatao hampitodika ny Malagasy bebe kokoa amin’ny hosodoko? Ny va­lin’izay fanontaniana izay no natambatra, ka niteraka ny “Iray volan’ny hosodoko”. Tsy […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsodrano ireo tanora hisolo tena antsika amin’ny «Parlement francophone des jeunes » ny filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana, Rabe­nirina Jean Jacques, omaly, teny Tsimbazaza. Anisan’ izany i Mitsin­jolavitra Lalaina sy Solofohanitra Jaspierre. Hihazo ny any Canada ny 3 jolay izao. Tsiahivina fa nifarana omaly koa ny fe-potoam-piasan’ireo depiote. Miova mpitantana ny […]

Fifidianana ben’ny Tanàna : ho 5 tapitrisa Ar ny anto-bolan’ny kandidà

Efa ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina indray izao ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny mpampakateny, i Soava Andriamaro­tafika, fa miasa tsy an-kiato izy ireo na vita aza ny fifidianana depiote farany teo iny. Hivory ho fanomanana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina izy ireo amin’ity herinandro […]

Manova famindra

  Samy miomana amin’ny fanovana governemanta indray aloha izany ny rehetra manomboka izao. Vita iny ny fifidianana solombavambahoaka. Nilamina ny zava-drehetra na maro aza ny mpamendrofendro sy ny mpanatsatso, indrindra ny mpandrangitra. Nahoraka rahateo ny hala-bato sy ny hosoka, avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Mazava anefa ny an’ny vahoaka, […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Hiroso amin’ny fametraham-pialana ny governemanta”

Nitondra fanazavana ny amin’ny toeran’ny governemanta, manoloana izao ho fijoroan’ny Antenimierampirenena vaovao izao ny Praiminisitra Ntsay Christian. “Rehefa misy ny fifidianana solombavambahoaka toy izao, ny fenitra demokratika dia mametraka mazava tsara fa tsy main­tsy miroso amin’ny fametraham-pialana ny governemanta”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny mpanao gazety, teny Tsimbazaza, […]