Miompana amin’ny fampidirana herinaratra any ambanivohitra ny tetikasa Angovo. Voakasik’izany ny faritra Androy, Anosy, Melaky, Menabe, miampy ny distrikan’i Betioky, Ampanihy ary Toliara II. Misy koa ny tetikasa Ranomafana, mahakasika ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano. Miisa 203 ny tantsaha nisitraka kojakojam-pamokarana any amin’ny kaominina Miandrarivo, distrika Tsiroanomandidy, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ambohidratrimo: mitohy ny fanampian’ny fikambanana Zam
Manohana ny mponina amin’ny lafiny fotodrafitrasa ny fikambanana Zanak’ Ambohidratrimo Marovatana (Zam), tarihin’ny filohany, Rabary Hery. Anisan’izany ny fanatsarana ny lalankely eny amin’ny fokontany Soamananety natao rarivato, mirefy 15 metatra, miampy tetezana hiampitana eny Tsinjohasina, izay natao tsara tokoa. Ankoatra ireo, nisy ny tohana amin’ny lafiny fahasalamana. Nahatratra 119 ny […]
MNP-WCS: Fitantanana maharitra ny alan’ i Makira sy Masoala
Nahazo mpiara-miombon’antoka ny Madagascar National Park sy ny fikambanana Wildlife Conservation Society (WCS), hitantanana maharitra ny alan’i Makira sy Masoala. Nampahafantarina omaly, ny fandaharanasa tohanan’ny Legacy Landscape Fund (LLF) ara-bola, avy amin’ny Fiaraha-miasa alemà (KFW) sy ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo […]
TARATRY ny KANTO
Nanomboka omaly hatramin’ny 31 jolay 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny fampirantiana haikanto plastika. Seho ranty mitondra ny lohateny hoe “Tantara fohy”. Ny Plum’art, fikambanana ivondronan’ireo mpiangaly hosodoko no mikarakara ny hetsika. Ireo mpanao hosodoko vao misandratra kosa no tena homena sehatra ao anatin’ izany. Tanterahina mandritra ity volana jolay […]
“IRD2024” : mbola manana ny toerany ny Reggea eto Madagasikara
Gadona anisan’ny nitondra fanovana tamina firenena maro, indrindra ny teto Afrika, ny Reggea. Manana ny maha izy azy ihany koa izy io eto an-toerana na dia tsy nitovy tamin’ny firenen-kafa aza ny fomba nidirany. Tsaroana manokana isaky ny 1 jolay ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Reggea. Misy ny hetsika manokana […]




