Auteur/autrice : Adnews

Mpamily notambazana Sprinter: mpitsara novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Tranga iray nampihorohoro ny namonoana ny Tonia mampanoa lalàna, niasa tao Mahajanga. Taorian’ny nahitana ny razana teny Antsahadinta, olona 15 voasambotra. Sakaiza manody! Ny mpamily ilay mpitsara novonoina no namono azy, hoy ny polisim-pirenena. Ankoatra azy, tratra ihany koa ny olona 14 hafa. Anisan’iza­ny ny lehilahy roa, nanampy azy tamin’ny […]

Vaky trano: kandidà depiote lasibatra

Lasibatry ny vaky trano ny kandidà solombavambahoaka iray monina ao amin’ny fokontany Andamasiny, kaominina ambanivohitra Mitsinjo, Toliara, afakomaly alina. Novakian’ireo olon-dratsy ny fitaratra. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nandroba ny entana sarobidy, tamin’ny 9 ora alina. Voaroba ny solosaina miisa roa sy finday telo. Nanamafy koa ny tompon-trano […]

Trafikan-tsokatra: olona efatra voasambotra

Naiditra vonjimaika am-ponja ireo olona telo voasambotra teto Antananarivo momba ny trafikan-tsokatra, afakomaly. Nahatraran’ny mpitandro filaminana zana-tsokatra miisa 37 teny amin’ireo olona ireo. Kazaran-tsokatra ahina ho lany tamingana « radiata » ny 36 tamin’ireo biby ireo. Anisan’ny maro mpitady eo amin’ny tsena maizina iraisam-pirenena rahateo io sokatra io. Karazany “pyxis” kosa ny […]