Auteur/autrice : Adnews

Tenisy: resin’i Afrika Atsimo ny Malagasy

Tsy mbola mihiratra ho an’ny Akomba, ekipam-pirenena malagasy, ny masoandro eo amin’ny fiadiana ny “Billie Jean King Cup”, sokajy fahatelo, taranja tenisy. Fi­haonana tanterahina any Nairobi, Kenya. Omaly, mbola resin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 3 no ho 0, indray ny Akomba. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, lavon’i Ga­briella Broadfoot, tamin’ny […]

“Mondial 2026”: manana isa fito ny Barea de Madagascar

Mitombo hatrany ny isa ho an’ny ekipa nasionaly malagasy. Manana isa fito izy ireo ao amin’ny vondrona “I”, rehefa nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko tamin’i Mali. Ady sahala! Nahazo isa iray fanampiny indray ny ekipam-pirenena mala­gasy, Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg Afrika Atsimo. Nisaraka […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mitovy ny tarehimarika ao anatin’ny fitanana an-tsoratra tamina biraom-pifidianana 47 amin’ny 169 ao amin’ny distrikan’i Vohipeno, faritra Fitovinany, araka ny tatitry ny kandidà depiote Irmar, i Tsabotokay Honoré, teny Tsimbazaza, afakomaly. Tena nisy ny tsy fahatomombanana taloha sy nandritra ny fifidianana, ka nametraka fitoriana eny amin’ny HCC ry zareo […]

fikirakirana voka-pifidianana ; « Tao anatin’ny fanajana ny safidim-bahoaka »

“Nanome toky ny Ceni fa ny fikirakirana ny valim-pifidianana dia natao tao anatin’ny fanajana ny safidim-bahoaka sy ny fangaraharana tanteraka, ka heverinay fa hitondra fitoniana sy filaminana.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, taorian’ny fanambarana ampahibemaso ny voka-pifidianana vonjimaika. Vokatra vonjimaika ihany no navoakan’ny Ceni, fa […]

Samia miandry am-pitoniana

  Vita izay ny anjara asan’ny Ceni. Nivoaka ny vokatra vonjimaika. Raha fehezina, nizotra tamim-pilaminana sy araka ny tokony ho izy ny raharaham-pifidianana. Nilamina manerana ny Nosy, afa-tsy ny tamin’ny toerana vitsivitsy izay nisehoana herisetra. Tsy mahagaga anefa izany fa tsy maintsy misy hatrany ny volo mpanoha-randrana. Ny omby indray […]