Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Nandrehitra kodiarana, nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana naneho ny fahatezerany mano­loana ny fahatapahan-drano ny fokonolona ao amin’ny fokontany Anjanahary, boriborintany fahadimy, omaly. Tsy nahazo rano nanomboka ny alahady 9 jona teo izy ireo. Mpitondra moto iray maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4, teny Andakana, afakomaly. Nianjera tany anaty lakandrano io mpitondra […]

Nikasa hanafika : jiolahy maty voatifitra teny Talata Volonondry

Rotiky ny balan’ny zan­dary nandritra ny fifandonana, tao amin’ny fokontany Am­baniandrefana sy Antanetibe, kaominina Talata Volonondry, afakomaly, ny jiolahy rainda­hiny iray. Nahazo fampitam-baovao tamin’olon-tsotra ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry momba ny fisiana andian-jiolahy mikononkonona fanafi­hana tao amin’ireo fokontany roa ireo. Nidina teny an-toerana ny zandary tamin’io fotoana […]

Ambilanibe-Andavamamba : jiolahy roa maty voatifitra

Lavon’ny tifitra nataon’ny polisy ny jiolahy roa nanao fanafihana mitam-piadiana teny Ambilanibe, Boriborintany fahefatra, omaly. Narahin’ny mpitandro filaminana maso akaiky ny fihetsik’ireo olon-dratsy ireo. Nikononkonona fanafihana mitam-basy teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao marim-pototra azon’ny polisy. Nanao vela-pandrika avy hatrany ireto farany. Raikitra ny fifandonana ka tsy tontosa […]

Lehilahy hita faty nihosin-dra : notsatohana fantsika ny lohany

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 35 taona hita faty nihosin-dra tao Antanamalandy, Mahajanga, omaly maraina. Nahitana fantsika nitsatoka teo amin’ny lohany. Lehilahy efa nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny fokonolona tao amin’ny faritry ny fasana Mangato­kana, fokontany Antanama­landy, kaominina Renivohitra Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Nifono lamba tanteraka ny lohan’io olona […]