Mitohy ny politikam-panjakana amin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Napetraka ao Manandriana, faritra Amoron’i Mania, ny alakamisy teo, ny ozinina hanodina ny voasary ho ranom-boankazo, voasary makirana marihitra na koa ho lohamenaka izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “One District One Factory” (ODOF). Noho izany, hanodina voasary hatramin’ny 20 taonina isan’andro […]
Auteur/autrice : Adnews
Royal Enfield : nivoaka ny modely « Shotgun 650 »
Kodiaran-droa! Tonga eto Madagasikara ny modely vaovao amin’ireo moto « Shotgun 650 » ny Royal Enfield, CT Motors. Mafy sy matanjaka ny moterany satria mahatratra hatrany amin’ny 650m3 izay mitovy amin’ireo moto hafa. Miavaka tanteraka anefa ny « Shotgun 650 » noho izy « custom » sy « roadster » mitambatra. Noho izany, sahaza ny lalana rehetra ity […]
Fandraharahana : Start-Up valo misitraka famatsiam-bola hatramin’ny 5 000 dolara
Hisitraka famatsiam-bola hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara isan’olona ireo mpandraharaha valo mendrika indrindra. Amin’ny alalan’ny tetikasany izay mipaka mivantana amin’ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ary ny tontolo iainana no nitsarana azy ireo. Miara-dalana ny sehatry ny fandraharahana sy ny tontolo iainana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Miantoka ny akora fototra […]
CSBII Analaiva: arahina ny fepetra fototra fandraisana ny marary
Zazalahikely herintaona sy 8 volana i Mananday. Nafana hoditra nandritra ny 3 andro izy, nalain-komana ary nandoa. Nanapa-kevitra nitondra azy tany amin’ny CSBII Analaiva ny reniny rehefa tsy nety niafana nandritra ny 3 andro ny fanaviany. Any amin’ny fokontany Andranovory Taretra, tanànan’i Fiofio, 12 km miala ny tobim-pahasalamana no misy […]
EPP Tanjombato : 10% ny ray aman-dreny tsy nanaiky
Nomena lanja manokana ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina poliomelita eny anivon’ny sekoly, ho an’ity andiany voalohany ity. Nandeha teny amin’ny EPP Tanjombato ny ekipan’ny CSB II Tanjombato sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, nanao vaksiny ny mpianatra. “813 ny isan’ny mpianatra ao ka ny 10% ny ray aman-dreny no tsy nanaiky […]




