Auteur/autrice : Adnews
Vinaninkarena Antsirabe : napetraka ny Centrale agro-photovoltaïque
Fanambin’ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ankehitriny, tafapetraka ao Vinaninkarena Antsirabe ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay hisahana ny 20% ny filàna ao an-toerana. Herinaratra ho an’ny rehetra! Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny fampiroboroboana ny fisitrahan’ny tokantrano ny herinaratra sy fampandrosoana ny sehatry ny […]
Famahana ny olan’ny fananan-tany : nizarana karatany ny any Vakinankaratra
Mitohy hatrany ny fizarana karatany faobe manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana. Manatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nahazo izany ireo distrika miisa roa any Vakinankaratra, ny 15 mey teo. Miisa telo ireo kaominina nizarana karatany maherin’ny 34 500 ho an’ny distrikan’Antanifotsy. […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 20 895 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara, ny volana avrily teo, izany hoe, nahitam-piakarana 12% raha oharina tamin’ny volana avrily, ny taon-dasa, izay 18 657 isa. Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany ary manakaiky ireo antontanisa voaangona ny taona 2019 ireo isan’ny mpizahatany tonga eto amintsika. Nolaniana nandritra ny […]
Fampandrosoana ny eny ambanivohitra : lesoka amin’ny fiakaram-bokatra ny haratsian’ny lalana
Sakana ho an’ny fiakaran’ny vokatra sy ny fandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny haratsian’ny lalana. Mampihena ny fidiram-bolan’ny tantsaha izany no mampahazo vahana ny fahantrana koa. Mampijaly ! Ratsy sy simba avokoa ny ankamaroan’ny lalana eto Madagasikara. Anisan’ny mampitontongana ny tontolon’ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra izany. Vokany, mihena ny […]




