Auteur/autrice : Adnews

Fianarana any Etazonia: mila faharetana ny fitadiavana oniversite

Nampahafantatra ny dingana rehetra tokony harahina ny Education USA amin’ny hanohizana fianarana any Etazonia. Anisan’izany ireo voambolana matetika hita rehefa hanomboka hitady oniversite. Mila fantatra ny rafi-pampianarana any Etazonia, ny karazana sekoly tiana hianarana sy ny diplaoma tiana ho azo. Misy ny karazana oniversite manome fampiofanana 2 taona. Manomana ny […]

Kianja Barea: Vita ny asa manaraka ny fepetra notakin’ny Caf

Haingana ny asa ary manara-penitra. Vita tanteraka ny asa rehetra nanavaozana ny kianja Barea Mahamasina hifanaraka amin’ny fepetra takin’ny Caf. Afaka mandray lalao iraisam-pirenena ny kianja. Nampahafantatra ny sekreteram-panjakana miadidy ny trano fonenana sy ny tanàna vaovao (SENVH) fa vita ny asa vaovao fanampiny, manaja ny fepetra takin’ny Caf handraisana […]

INDRAY MIJERY

Natao tamin’ity herinandro ity ny Andro natokana ho an’ny matihanina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, nokarakarain’ny Imra. Nahasarika ireo dokotera sy mpiasan’ny fahasalamana ny hetsika. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny profesora Ramanitra­hasimbola David momba ny “Urologie”, teo koa ny mahakasika ny diabeta. Nitsidika an’i Matsiatra Ambony ny solontenan’ ny OMS eto […]

Sehatry ny fahasalamana : hivondrona ireo holafitra isan-tsokajiny

Tanterahina any Maha­janga, ny 14 ka hatramin’ny 16 mey izao, ny Andron’ny Holafitry ny fahasalamana. Nanazava ny filohan’ny Hola­fitry ny farmasianina, Rakoto­malala Tantely, fa fampahafantarana ny antom-pisian’ny holafitra no atao mandritra ny 3 andro. Misy amin’ireo mpiantsehitra amin’ny fahasalamana no tsy mahafantatra akory ny antom-pisian’ny holafitra. Ankoatra izay, fanehoana ny […]

Rakotomavo Zo: “Tsy hita maso kanefa mankarary ny fahalotoan’ny rivotra”

Anisan’ny lasibatry ny fahalotoan’ny rivotra ny sokajin’olona marefo, toy ny ankizy sy ny zokiolona ary ireo manana aretina mitaiza. “Tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tanana ny rivotra maloto kanefa mankarary”, hoy ny mpikaroka momba ny toetr’andro, Rakotomavo Zo. Niresaka manokana momba ny fiantraikan’ny fahalotoan’ny rivotra amin’ny fahasalamana ny mpikaroka […]