Auteur/autrice : Adnews

Tratran’ny Covid: atoka-monina ny tale jeneralin’ny Jirama

Diso ny vaovao! Tsy marina ny filazana tanaty gazety iray fa nisy nahita tany amin’ny faritra. Nilaza ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Randrianaina Odon, fa tsy mahafantatra an’izany vaovao izany ny tenany, fa raha ny fahafantarany azy, tratran’ny tsy fahasalamana ity mpitantana ny Jirama ity, nahatonga […]

Fifanarahan’i Nairobi: hahitsy ny andinin-dalàna sasany

Atao eto Antananarivo, ny 15 hatramin’ny 18 novambra ny atrikasa handinihana ny fanitsiana ny fifanarahana mikasika ny Faritra arovana (AP), ny biby ary ny zavamaniry aty amin’ny tapany atsinanan’Afrika. Mifototra amin’ny Fifanarahan’i Nairobi ity dinika ity, nankatoavina ny 21 jona 1985. Efa nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa ny taona 2010, mikasika ny […]

Fandraharahana: tombontsoa azo amin’ny maha ara-dalàna na formel

Ao anatin’ny herinandro ho an’ny fandraharahana, ny 14 hatramin’ny 20 novambra, misy famelabeleran-kevitra momba ny « maha ara-dalàna na formel, manome lanja ny toekarena maharitra » hatao anio 16 novambra, ao amin’ny antenimieran’ny varotra eto Antananarivo. Tanjona ny  hanehoana ny tombontsoa azon’izay ara-dalàna na formel amin’ny fandraharahana ataony, manazava ireo dingana rehetra arahina […]

Talen’ny kabinetra MEH: “Mifono hevitra politika ny fanambaran’ny VOMZM sy ny SEMM”

Naneho hevitra ny talen’ny kabinetra ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Randrianaina Odon, omaly, manoloana ny fanambaran’ny mpitarika fikambanana Vondron’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa (VOMZM) sy ny sendika SEMM. Aminy, misy ambadika politika ireny fanambarana ireny. Raha tsiahivina, nitaky ny fanalana ny minisitra MEH, Ramaroson Andry ireto naneho hevitra. […]

Faritra Vatovavy: nanamafy traikefa ny mpanao gazety

Nisitraka fiofanana ireo mpanao gazety miisa 25, any amin’ny faritra Vatovavy. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny traikefa efa ananany izany. Mivoatra hatrany rahateo ny asa fanaovan-gazety manoloana ny fanatontoloana, ny fivoaran’ny teknolojia, ny fivoaran’ny toe-draharaha eo amin’ny toekarena sy sosialy ary ny fiarahamonim-pirenena. Itakiana ny fampanarahana ny asa fanaovan-gazety amin’ny fenitra […]