Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly. “Aoka samy handray andraikitra tandrify azy sy hiara-kientana ary hifanome tanana ho fanasoavana ny vahoaka, indrindra ireo marefo amin’ny fanapariahana ny hazavana ho anao”, hoy izy. Nanteriny fa laharam-pahamehana izany ary mifandraika amin’ny fiainam-bahoaka. Handray anjara amin’ny fivoriana isan-taona […]

vovonana firaisankina : mbola mitsipaka ny fifidianana teo aloha

Nihaona, nandritra ny ora roa, teny Andranomena, afakomaly, ny masoivohon’i Eta­zonia, i Claire Annette Pieran­gelo, sy ireo mpitarika ny Fi­rai­sankina. Nitatitra ny dinika ny mpitondra tenin’ny vovonana, i Paraina Auguste. Nambarany fa henjankenjana ny fihaonana ary samy tsy nitsitsy fitene­nana. Nomarihiny anefa fa ny ambasadaoro no niantso azy ireo tamin’izany. […]

Afa-baraka ilay firenena

  Nahoraka maneran-tany ny mahakasika ireo biby efa ho lany tamingana eto Madagasikara kanefa nisy nanondrana, tonga any Thailand, omaly. Tsy mba hoe biby iray na roa fa dia sokatra aman’arivony sy gidro efa amam-polony maro. Ahoana no hahatanteraka ny fanondranana izany kanefa tsy misy mahita na voasakana eto amintsika? […]

Holafitry ny mpanao gazety : “Mbola olana ny fahazoana loharanom-baovao”

Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, fa betsaka ny fitarainan’ny mpanao gazety sy ny tatitra voaray momba ny fahazoana vaovao. Nanao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny tenany, manoloana izany. “Olana ny fikatonan’ ireo loharanom-baovao ka entanina ny mpitondra mba hanome vaovao fa tokony hitondra fiovana […]

TSELATRA

Mpandeha miisa sivy naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana tampoka teo am-pidirana ny tanànan’i Manakara, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Nitondra mpivarotra saika hihazo an’i Vohipeno io taksiborosy io no tra-doza tampoka. Tapa-tanana ny mpandeha sasany. Tsy nisy aina nafoy. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo naratra. Mpanendaka avy nanao ny asa […]