Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Naratra mafy teo amin’ny lohany ny renim-pianakaviana iray novelesin’ny vadiny tamin’ny fanoto teny Ambohitrarahaba, afakomaly alina. Hasarotam-piaro no nitarika ny adin’izy mivady ka niafara tamin’izao fandratrana izao. Nentin’ny fianakaviany namonjy hopitaly ilay niharam-boina ka avotra soa aman-tsara. Nitsoaka kosa ilay rangahy vadiny. Nosamborin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny vehivavy […]

Fanafihana voasoroka : dimy lahy mpamerin-keloka lavon’ny polisy

Nirefodrefotra ny basy! Jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ravan’ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny FIP Toamasina notarihin’ny kaomandiny, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, omaly. Nitondra fitaovam-piadiana, nikononkonona asa ratsy izy dimy lahy ireo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra anefa ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony avy hatrany ny FIP ao an-toerana. Tsy ankitsitsy, nikasa hampiasa […]

Nanolan-jaza 15 taona: naiditra am-ponja ny nahavanon-doza

Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy iray nanolana ankizivavy 15 taona tao Amparafaravola. Mpifanila trano amin’io lehilahy io, nadalainy matetika ny za­naky ny zaobaviny. Miara-matory amin’ny zandriny ao amin’ny lakozia anefa io ankizy io. Alain’io lehilahy tsy valahara io matory ao aminy ilay ankizivavy rehefa alina. Rahonany ho vonoina […]

Fiara Sprinter nivadika: olona telo namoy ny ainy, 16 naratra mafy

Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona dimy indray tao Ambatofolaka, fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, lalam-pirenena voalohany (RN1), omaly tolakandro. Fiara Sprinter iray nitondra mpianatra nitsangantsangana tany Ampefy ity tra-doza tampoka ity… Tebiteby, ranomaso…izany no niainan’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra niharam-boina vokatry ny lozam-piarakodia tao Amba­tofolaka, fokontany Antsahala­va, kaominina Soamahama­nina, omaly tolakandro tamin’ ny 3 […]