TSELATRA

Naratra mafy teo amin’ny lohany ny renim-pianakaviana iray novelesin’ny vadiny tamin’ny fanoto teny Ambohitrarahaba, afakomaly alina. Hasarotam-piaro no nitarika ny adin’izy mivady ka niafara tamin’izao fandratrana izao. Nentin’ny fianakaviany namonjy hopitaly ilay niharam-boina ka avotra soa aman-tsara. Nitsoaka kosa ilay rangahy vadiny.

Nosamborin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray mpangala-damba tao
amin’ny Bazar Be Toamasina, omaly. Efa nanao io asa ratsy io izy herinandro lasa.  Nofandrihan’ny mpivarotra. Naka entana tao amin’ny tsena miisa roa izy ka noraisim-potsiny.

Mpitondra scooter iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Malaza Andoharanofotsy, ny alin’ny alakamisy 25 avrily teo. Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ilay mpitondra moto. Nanavotra azy ny ma­nodidina saingy tsy tana ny ainy. Nandositra ny fiara nandona.

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana i Ngiag­nany, dahalo raindahiny tao Tsihitanizanatany, kaominina Analalava, afakomaly. Nifanehatra tamin’ny zandary nanao fisafoana izy ireo ka vaky nitifitra. Nitsoaka ny namany efa-dahy izay mbola ifampitadiavana amin’izao fotoana.

Naiditra am-ponja eny Tsiafahy taorian’ny fampanoavana ilay lehilahy nisandoka ho kaomandà eo anivon’ny Tafika, afakomaly.  Nisoloky andraikitra, nampiasa fanamiana miaramila tsy ara-dalàna izy ka antony izao fihazonana am-ponja azy izao.

Partager sur: