Auteur/autrice : Adnews

Tetikasa Kanto Manabe : « Tsy ampy ny manana talenta… »

Mitohy hatramin’ny 4 mey 2024, eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely, ny fampiratiana “Ny fiainan’ny Malagasy: ny lasa, ny ankehitriny, ny ho avy”, tontosain’ny mpianatra eny anivon’ny liseam-panjakana, mivondrona ao amin’ny Tetikasa Kanto Manabe. Sary nataon’ireto tanora mpianatra ireto no mandravaka ity fampiratiana ity. Raha tsiahivina, tanjon’ny hetsika ny hanome sehatra ny […]

Fampirantiana : vahiny manokan’ny « Salon de l’AAA » i Jean A. Ravelona

« Amicale des amateurs d’art », na « AAA », ivondronan’ny mpanakanto, mpampianatra zavakanto… Manatanteraka hetsika lehibe isan-taona izy ireo. Misy hatrany ny vahiny manokana asainy amin’izany. Amin’ity taona ity, i Jean Andrianaivo Ravelona… Hanomboka ny 22 mey ka hatramin’ny 28 mey izao, ao amin’ny «Salles Royales de la Made­leine», Paris 8e arrondissement. Hanatanteraka […]

Ady amin’ny kolikoly : hanampy amin’ny paikady vaovao ny FMI

“Andry fahatelo amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fitondrana tsara tantana. Manana ampahany lehibe amin’izany ny ady amin’ny kolikoly. Koa manohana ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly ny FMI amin’ny famolavolana paikady vaovao iadiana amin’ny kolikoly”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Komity fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, ny amin’ny fihaonan’ny iraky […]

Tsy hananam-piry ny aina

  Olam-piarahamonina iray, mampikaikaika ny maro ny mahakasika ny fahasalamana. Tsy zakan’ny tsena, ara-bakiteny, ny saram-pitsaboana sy ny vidim-panafody. Aza marary ihany! Fa rehefa tsy manam-bola dia ny aina no manefa. Tsy misy fitsetserana sy fihantrana izany raha mbola toeram-pitsaboana. Na miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana dia vola ihany […]