Nanao be fiavy ny Ekoatera, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra «Mondial 2022». Fihaonana tanterahina any Qatar. Nomontsanin-dry zareo ny Katarianina, mpampiantrano. Avy hatrany dia nakan’ny La Banana Mecanica-n’i Ekoatera, isa 3 ny Katarianina, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny […]
Auteur/autrice : Adnews
ODSEF sy Instat: handraisana fanapahan-kevitra ny antontanisa tsara tahiry
Nifanaraka ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, amin’ny alalan’ny Instat, ary ny « Observatoire démographique et statistique dans l’espace francophone » (ODSEF), misahana ny antontanisa anatin’ny Vondrona mampiasa sy miteny frantsay any amin’ny Oniversite Laval, Québec Kanada, ny 18 novambra, fa hiara-kiasa. Fiaraha-miasa amin’ny sampana iray manana traikefa lehibe hatramin’ny taona 1861 momba […]
WOT Award 2022: nahasarika tanora anjatony
Natolotra ireo mpandresy nandritra ny fifaninanana WOT award 2022 ny loka ho an’ireo mendrika isan-tsokanjiny avy, tetsy amin’ny IFM Analakely, afakomaly. Tanora maherin’ny 200 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana. “Mizara ny traikefa ho an’ireo tanora ahafahany mivelatra amin’ny sehatr’asa mikirakira ny teknolojia ny antom-pisian’ny fifaninanana”, hoy ny mpikambana eo anivon’ny […]
Bekily: kaominina 55 amin’ny 58, manana toeram-pivoahana ny mponina
Ny 32%-n’ny Malagasy no manana trano fivoahana na kabone, ankehitriny. Nankalazaina tany amin’ny distrika Bekily, faritra Androy, ny 19 novambra teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny trano fivoahana na kabone (JMT). Lohahevitra noraisina ny hoe : « Fanadiovana tsara tantana, madio sy maharitra ». Vina ao anatin’ny tetikasa “Madagasikara madio 2025” ny hananan’ny 90%-n’ny […]
Tambajotra RIA Jirama: nipoahan’ny varatra ny toby Anosizato
Nilatsahan’ny varatra ny toby « sous-station » Tana Sud Anosizato, ao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), ny alakamisy 17 novambra teo. Efa vita ny 90%-n’ny fameranana ny jiro, hatramin’ny omaly. Tapaka nanomboka ny alakamisy hatramin’ny omaly alahady tamin’ny 6 ora sy sasany ny jiro, teny Ambatomirahavavy hatrany Soavinandriana Itasy, vokatry ny fahasimban’ny fitaovana […]