Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, afakomaly, ny fikaonandoha nijerena manokana ny fivezivezena an-tanàn-dehibe eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa mihamitombo ny mponina, mivoatra ny filàna eo amin’ny sehatry ny fitaterana an-tanàn-dehibe kanefa mila tsy haharaka koa ny fotodrafitrasa sy ny fivoaran’ny lalàn’ny fifamoivoizana. Ilaina, noho izany, fijerena manokana azy io, […]
Auteur/autrice : Adnews
Foibe fitehirizana vaksiny lehibe aty Afrika : notokanana omaly ny fotodrafitrasa vaovao, eny Ivato
Notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny vadiny, omaly, ny foibe lehibe indrindra aty Afrika hitehirizana vaksiny eto Madagasikara. Naorina eny Ivato miaraka amin’ny toeram-piasan’ny sampandraharaha misahana ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izy ity. “Fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny Unicef ary ny Alliance Gavi, tao anatin’ny efatra […]
TARATRY ny KANTO
Le By Pass after Work – Melky. Haka endrika “Cabaret dancing” ny fiarahana anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, ao amin’ity toeram-pialamboly ity. Ny tarika Melky no handahatra ireo hirany, hampian’i Nanja, nasaina manokana. Mazava loatra fa ireo hira mampandihy, nitety vanim-potoana no halahatra mandritra izany. Hanafana mialoha ny sehatra, […]
MFF, andiany faha-19: miisa 177 ny sarimihetsika hifaninana
Efa fantatra avokoa ireo sarimihetsika samihafa, hifaninana ao anatin’ny Madagascourt Film Festival (MFF) andiany faha-19. Miisa 177 izy ireo, ary mizara sokajy efatra. Nifarana ny 14 avrily 2024 teo ny fisoratana anarana amin’ity hetsika lehibe ity, ary izao navoakan’ny mpikarakara izao ny lisitr’ireo afaka mifaninana. Nahatratra 347 ny sarimihetsika voaray […]
Seho roa samy hafa: hiray sehatra amin’i Njila sy i Rija Ramanantoanina i Poopy
Ny tao anatin’ny 40 taona? « Hotantaraiko anao, izaho sy i Njila », hoy ny lohahevitry ny seho voalohany. “Izaho sy i Rija” kosa ny seho faharoa, samy fampisehoan’i Poopy avokoa ireo. «Hotantaraiko anareo ny niantombohako nihira niaraka tamin’ny tarika Njila», hoy i Poopy. Izay no hanokafany ny seho “Izaho sy i […]




