Hanomboka, afaka tapa-bolana, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Can 2024, taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy sénior. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” amin’ity ny XV Makis Ladies de Madagascar. Tsiahivina fa ny 4-12 mey ho avy izao ity fifanintsanana ity no hatao eny Andohatapenaka. Hotontosaina manomboka ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Federasion’ny taekwondo : lany ho filoha Rakotomanana Franck
Tontosa teny Alarobia, omaly, ny fifidianana ny filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja taekwondo (FMTKD). Rakotomanana Franck Tiana no lany hitantana ity taranja ity mandritra ny efa-taona. Nahazo vato dimy tamin’ireo ligy fito nahazo nifidy ny tenany. Vato roa kosa ny azon’ny kandidà mpifaninana taminy, Ramanantsoa Christian Richard, filohan’ny FMTKD teo aloha. Ny […]
Ligue des Champions : hanala vela amin’ny Man City ny Real Madrid
Hotontosaina anio ny lalao ampahefa-dalana miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Manchester City Angleterre sy ny Real Madrid Espagne. Fihaonana izay hatao ao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium Angleterre. Nisaraka ady sahala, 3 no ho 3, ny lalao […]
Lalaon’ny Barea sy Comores : handresy lahatra ny Caf hatrany ny FMF sy ny fanjakana
Tsy mbola very fanantenana ny fanjakana sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa manaraka ny fangatahan’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf). Mitady ny hevitra rehetra hanatontosana ny lalaon’ny Barea eto Madagasikara. Nampiantso mpanao gazety, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, […]
INDRAY MIJERY
Tapaka nandritra ny filankevitry ny filohan’ny oniversite, ny 15 febroary teo, fa havondrona amin’ny renivohi-paritany avokoa ireo mpanala fanadinana bakalorea tsy miankina ary hatokana amin’ny efitranom-panadinana iray. Hopitaly madio sy milamina. Io no tarigetran’ ny mpiasan’ny fahasalamana ka nanatanteraka fanadiovana faobe izy ireo hanolorana tontolo ara-pahasalamana ho an’ireo mpisitraka izany. […]




