INDRAY MIJERY

Tapaka nandritra ny filankevitry ny filohan’ny oniversite, ny 15 febroary teo, fa havondrona amin’ny renivohi-paritany avokoa ireo mpanala fanadinana bakalorea tsy miankina ary hatokana amin’ny efitranom-panadinana iray.
Hopitaly madio sy milamina. Io no tarigetran’ ny mpiasan’ny fahasalamana ka nanatanteraka fanadiovana faobe izy ireo hanolorana tontolo ara-pahasalamana ho an’ireo mpisitraka izany. Tafiditra anatin’ny fanajana ny maha olona, izay anisan’ny andry voalohan’ny Politikam-pampandrosoana ankehitriny izany. Hatao isam-bolana ny hetsika.
Adisisika ahafahan’ireo olona manana fahasembanana misitraka ny zony eo amin’izay tontolon’ny fahasalamana ara-pananahana izay no tanjon’ny tetikasa Mi’iray. Tontosa ny Focus Group niarahana tamin’ny olona manana fahasembanana ao Morondava sy ny mpisehatra mandray an-tanana azy ireo mahakasika izany.
Entanina hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony ny mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo, atsimo atsinanana ary afovoany atsinanan’ny Nosy satria hahery ny ranomasina.

Partager sur: