Auteur/autrice : Adnews

Teleferika : tafapetraka ny tariby, an’Anosy sy i Soarano

Tontosa ny fametrahana ny tariby amin’ny fitaterana teleferika mampitohy an’Anosy sy i Soarano. Tonga nitsidika ny asa tetsy amin’ny Gara Anosy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, omaly. Enina herinandro ny fe-potoana nametrahana ny tariby mitondra ireo fitaovam-pitaterana ireo. “Vita tao anatin’ny roa herinandro izany noho ny […]

Fahavoazam-pirenena noho ny rivodoza: « Vonona hanohana ny Frantsay », hoy ny masoivohony

Feno ny fepetra hanambarana ny fahavoazam-pirenena taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra natao ny alarobia lasa teo. Namela takaitra maro ho an’ny faritra avaratra atsinanana 89 645 ny isan’ny traboina ary maro ny fotodrafitrasa simba, toy ny lalana, ny tetezana, ny biraom-panjakana sy ny […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina manomboka ny 16 avrily 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny “Lire en fête”, andiany fahenina. Lohahevitry, mandritra izany, ny “Les mondes inexplorées de la littérature”. Hetsika maro no handravaka azy. Eo ny fihaonana amin’ny mpanoratra, tafa sy dinika ary varotra boky isaky ny karazany avy. Fampisehoana miavaka no ho […]

Tarika Ibiyewa : mitohy ny fizarana ny kanto eto an-toerana

Anisan’ny nitondra fampianarana sy nizara ny traikefany mahakasika ny mozika matihanina sy avo lenta ihany koa ny tarika Ibiyewa, avy any Allemagne, omaly, teny amin’ ny Centre de ressources des arts actuels de Madagas­car (CRAAM) Ankatso. Ireo singa mety hotsinontsinoavin’ny mpanakanto ao anatin’ny hirany no nampahafantarin’ireto tarika ireto. Araka ny nambaran’ny […]

Atrikasa Jazz: nizara ny traikefany ireo vahiny nasaina

Mitohy ny hetsika karakarain’ireo tomponandraikitra eo amin’ny tontolon’ny Jazz. Nizara ny fahaiza-manaony ireo teratany vahiny manana ny maha izy azy eo amin’ity gadona ity . Tontosa omaly, teny amin’ ny Ivokolo Analakely, ny atrikasa mahakasika ny fitendrena zavamaneno, eo amin’ny tontolon’ny mozika Jazz. Teratany vahiny miisa telo, sangany amin’ny fitendrena […]