Tsiroanomandidy Le Grand Carrefour de la vente des bovins de la Grande Île
Auteur/autrice : Adnews
TMH Avaradrano : manaiky izay ho kandidàn’ny Irmar
“Manaiky sy manohana ary mankato ny kandidà atolotry ny vovonana Irmar isika”, hoy ny mpitarika ny fikambanana Tanora miandrandra ny hoavy (TMH), Rafidimanana Désiré, tetsy By Pass, omaly. Nanteriny fa manaraka hatrany ny toromarika avy amin’izany vovonana izany izy ireo. Nohavaozina tamin’izany koa ny birao mitantana ity fikambanana ity ho […]
Fampahatsiahivan’ny HCC: tsy maintsy mametra-pialana ireo minisitra ho kandidà
Nampahatsiahy ny rehetra ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana amin’izao hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka izao. Misy ny fepetra sy lalàna tsy maintsy arahina ho an’ireo tomponandraikitra ambony ho kandidà. Anisan’izany ny tsy maintsy hametrahan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta fialana raha ho kandidà izy ireo amin’ny asa maha voafidim-bahoaka. […]
INDRAY MIJERY
Ny 80% ny tanora miisa 230 nanaraka fiofanana maimaimpoana momba ny Freelancing Web, ao anatin’ny fampiofanana faobe amin’ny “Métiers du web” tao Antsirabe, no hanangana avy hatrany ny orinasany. Fantatra io nandritra ny lanona famaranana ny hetsika, ny faran’ny herinandro lasa teo. Misy toerana 20 misandrahaka manerana ny Nosy ahazoana […]
Hitohy ao anatin’ny telo taona ny fiaraha-miasa
Nanao sonia fiaraha-miasa ho an’ny telo taona manaraka teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC, Andrainarivo, omaly, ny masoivoho frantsay sy ny minisiteran’ny Atitany. Ho fiarovana ny vahoaka amin’ny loza voajanahary samihafa (tondradrano, afo…) no votoatin’ny fiaraha-miasa. Nanome fitaovana informatika hanatsarana ny asan’ny Cervo eo anivon’ny BNGRC ny fanjakana frantsay, hanafainganana ny fahazoana […]




