Na efa tsy eo intsony aza i Clarisse Ratsifandrihamanana. Misy hatrany ny fivoahan’ny sanganasany. Iray amin’ireny ny boky mirakitra ny tantaran’« Ikalomanga », navoaka omaly. Notontosaina, omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky « Ikalomanga », sanganasan’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Ny taona 1967 no nanoratan’ity andrarezin’ny asa soratra malagasy […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Nampita hafatra amin’izao Herinandro Masina izao ny eo anivon’ny FFKM. “Miantso antsika mba handini-tena sy hanamafy ny fifandraisana amin’ Andriamanitra”, hoy izy ireo. Nanterin’ny fiangonana fa tsy tokony hiraviravy tanana na eo aza ny hasarotry ny fiainana sy ny tsy fandriampahalemana. Miahiahy amin’ny fomba fiasan’ny Ceni, Ratsietison Jean Jacques, eo […]
Fifidianana depiote: afaka mitaraina raha lavina ny dosie
Eny amin’ny Rafitra fanamarinana sy fandraketana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina (Ovec) eny amin’ny vaomieran’ny fifidianana, eny amin’ny distrika, no fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eny anivon’ny Ceni, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote amin’ny 29 mey. Manomboka anio amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 8 avrily amin’ny 5 ora hariva […]
Lalao madio !
Manomboka anio ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’izay maniry ho solombavambahoaka. Midika izany fa roso tsa mipody koa ny fanoloana ireo eny Tsimbazaza. Hatreto, milamina ny zava-drehetra, na efa misy aza ny ady saritaka any anaty antoko sy fikambanana isan-karazany any. « Tsy manakana ny omby tsy ho […]
Andriantsitohaina Naina : natao boky ny asa vitany tamin’ny naha ben’ny Tanàna azy
Anisan’ny olon’ny fangaraharana ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, Andriantsitohaina Naina. Navoakany ho boky ireo zava-bitany nandritra ny naha ben’ny Tanànan’Antananarivo azy. Voarakitra anaty boky ny tatitry ny asa vita rehetra nandritra ny efa-taona nitantanan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Nampahafantariny tao amin’ny tambajotran-tserasera “Facebook” […]




