Andriantsitohaina Naina : natao boky ny asa vitany tamin’ny naha ben’ny Tanàna azy

Anisan’ny olon’ny fangaraharana ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, Andriantsitohaina Naina. Navoakany ho boky ireo zava-bitany nandritra ny naha ben’ny Tanànan’Antananarivo azy.

Voarakitra anaty boky ny tatitry ny asa vita rehetra nandritra ny efa-taona nitantanan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohitra, teo aloha, Andrian­tsitohaina Naina. Nampaha­fantariny tao amin’ny tamba­jotran-tserasera “Facebook” izany, omaly. “Manana adidy aho hanao tamberin’andraikitra amin’ny naha olom-boafidy ahy. Tena zava-dehibe amiko ny fitantanana mangarahara”, hoy izy. Nanteriny tamin’izany fa efa afaka jerena sy vakiana ao amin’ny tranomboky monisipaly vaovao etsy Analakely izany. Nentaniny koa ireo rehetra te hahalala marina ny zava-bitany rehetra mba hijery izany.
Voarakitra sy hita anatin’ izany boky izany avokoa ny lafiny fitantanana ny CUA, ny asa sy ireo hetsika sosialy samihafa. Eo koa ny momba ny fanorenana sy ny fanatsarana fotodrafitrasa eny ifotony, manakaiky vahoaka. Ny mom­ba ny fanabeazana sy ny fampianarana. Ireo fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola. Ny fandaminana ny tanàna, toy ny tsena sy ny lalana ary ny fifamoivoizana. Ny firosoana amin’ny “Digitalisation” eo amin’ny fitantanana…
Tsiahivina fa voatendry ho minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, nanomboka ny 14 janoary 2024.

Synèse R.

Partager sur: