Auteur/autrice : Adnews

Namearison Robert : “Olona hanompo ny vahoaka fa tsy ny antokony no tokony ho depiote”

Efa an-dalam-piomanana amin’izao ireo mpirotsa-kofidina ho depiote. Olona toy inona? Manana ny fijeriny ny avy amin’ny firaisamonina sivily, ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale)? Namearison Robert (-): Nakatona vonjimaika ny 15 fe­broary ny fanavaozana isan-taona ny […]

TARATRY ny KANTO

«Tabataba an-tononkalo an-tokotany». hetsika miavaka hataon’ny fikambanan’ny mpanoratra sy ny poeta Havatsa Upem. Hatao anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, manoloana ny Tahala Rarihasina Analakely. Entin’izy ireo hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Hisy fiantsana tononkalo, fanoratana poezia eo no ho eo, sy fivarotana ny bokin’ ireo mpanoratra. Manomboka miditra […]

Ecole des Gobelins Paris : hanatsarana ny sarimihetsika malagasy

Mandalo eto Madaga­si­ka­ra ny «Ecole des Gobe­lins Paris», sekoly anisan’ny sangany amin’ny fampianarana horonantsary fanentanana, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany, hisy ny adihevitra iarahana amin’ny Cécile Blondel, matihanina eo amin’ ny tontolon’ny sarimihetsika, sy Alizée Dallemagne, tomponanandraikitry ny sekoly. Anio, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Anala­kely, no hanatanterahina […]

Kaonseritra evanjelika : hanafana ny FJKM Ankadifotsy ny TMI

Taona 2023, feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Tanora Masina Itaosy (TMI). Mitohy amin’izao taona 2024 izao izany. Fantatra fa hifamotoana amin’ny mpitia hira evanjelika ity tarika manana ny maha izy azy ity. Amin’ny alahady 24 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Ankadifotsy. Raha ny fanazavan-dry zareo, sambany […]

Arikaomsa Randria : «Mila omena lanjany eo amin’ny fanabeazana ny angano sy poezia»

Fantatra kokoa ny feony noho ny endriny. Heno matetika amina tantara an’onjampeo i Arikaomsa Randria. Milomano anatin’ny literatiora tanteraka anefa izy, ary nisolo tena ireo mpisehatra nandritra ny « Fetin’ny angano sy ny poezia », omaly. Endri-panabeazana anisan’ny tranainy indrindra teto Madagasikara ny angano. Nomarihina omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny angano. […]