Auteur/autrice : Adnews

Raharaham-pirenena: haka fanapahan-kevitra Razanamahasoa Christine

Nitondra ny tenin’ny filohan’ ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny tale kabinetrany, Ratolojana­hary Maharavo (Doudou), omaly, tetsy Tsimbazaza. Nam­barany fa hatao ny sabotsy izao, eny amin’ny Antenimie­ram­pirenena ny famoriana ny herivelona rehetra, hihainoan’ ny filohan’ity Andrimpanja­kana ity ny feon’izy ireo. “Miantso ny rehetra izy ary hihaino ny hevitra sy ny vahaolana […]

Fifidianana depiote: mametra-pialana ireo minisitra ho kandidà

Mazava ny voalazan’ny lalàna, momba ny fiatrehana ny fifidianana solombavam­bahoaka, ho an’ireo sokajin’olona sasany amin’ny andrai­kitra sy ny asa sahaniny avy. “Mametra-pialana avy hatrany ireo minisitra na governoran’ ny faritra am-perinasa rehefa tafiditra ao anatin’ny lisitra ofisialin’ny ho kandidà solombavambahoaka, havoakan’ny rafitra mikarakara sy misa­hana ny fifidianana”, hoy ny sekretera […]

Diplaomasia : miabo ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny any ivelany

Misokatra sy mivelatra hatrany amin’ireo firenena maro i Madagasikara. Mitombo miaraka amin’izay ny fiaraha-miasa amin’ireny firenena ireny, indrindra amin’ireo tetikasa miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Tontosa, omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny lanonana nanoloran’i Ji Ping, masoivoho vaovaon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, sy i Kate Chamley, masoivoho vaovaon’i Australie, ny taratasy […]

Ramakavelo Faly : “Tsy mazava ny tetiky ny mpanohitra”

“Raha raisina amin’ny stra­tejia politika, tsy mazava ny stratejia politikan’ny mpanohitra”, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Mazava be kosa ny stratejia politikan’ny eo amin’ny fitondrana: efa voafidy ny filohan’ ny Repoblika dia mitambatra izay manohana azy; avy eo, ataony izay hahazoany ny maro anisa eny amin’ny An­tenimierampirenena […]

Fifidianana depiote : Hikapoka izay manao vinany ny HCC

“Mampitandrina aho amin’ izao fifidianana ho avy izao: hikapoka mafy dia mafy izahay amin’izay manao vinany eo ka manao ny tsy fahamarinana, fangalaram-bato, fampiasana mpiasam-panjakana sy fitaovam-panjakana.” Io ny nambaran’ny filohan’ny HCC, Florent Rakotoarisoa, taorian’ ny nandraisany ny sekretera jeneralin’ny Frankofonia teny Ambohidahy, omaly, momba ny fifidianana depiote. Mba hijanonan’izany […]