Auteur/autrice : Adnews

Filaharan’ny FIFA: tsy nihetsika ny Barean’i Madagasikara

Namoaka ny filaharan’ireo ekipa mivondrona ao aminy ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA) , omaly alakamisy. Tsy mihetsika fa mijanona eo amin’ny laharana faha-102 maneran-tany ny Barea de Madagascar. Noho ny tsy mbola fisian’ny lalao nataon’ny Malagasy ny anton’izany, araka ny voalaza. Tsy nisy fiovana toy izany koa ny voalohany […]

Kitra any ivelany: efa manao fanazaran-tena sahady i Mbappé

Taorian’ny fahavitan’ny “Mondial 2022”, tany Qatar, tsy niandry ela fa avy hatrany dia niverina nanao fanazarantena i Kylian Mbappé. Mbola izy irery no manatanteraka izany, omaly alakamisy, tany amin’ny ivontoerana “Camp des Loges”, fanaovan’ny Paris Saint- Germain, klioba ilalaovany, fanomanana. Tsiahivina fa voahosotra ho mpilalao mpamono baolina be indrindra i […]

Mandritra ny fety: 3000 mahery ny polisy hiasa

Hahatratra 3000 mahery ireo polisim-pirenena hisahana ny fandriampahalemana mandritra ny fetin’ny Krismasy sy taom-baovao 2023. Toy ny mahazatra, misy ny rindram-damina atao hiatrehana ny fety. Amin’ity indray mitoraka ity, nampitomboina ireo mpitandro filaminana hiasa eto an-drenivohitra. Raha tokony ho 2.600 isa  izany dia lasa 3.000 mahery ampian’ireo mpiofana ao amin’ny […]

Lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana: “Majavozavo ka mila fanatanterahana zaikabe”, hoy ny filohan’ny Dnelm

Lany teny anivon’ny andrim-panjakana mpanao lalàna roa ny volavolan-dalàna laharana faha 009/2022 tamin’ny 15 jona 2022 mahakasika ny Lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona Anosy, nandritra ny fivoriana ny talata 13 desambra teo. Manoloana ny fivoaran’ny raharaha, nitondra fanehoan-kevitra ny filoha nasionaly […]