IKM Antsahavola – Hanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny poezia ihany koa. Satria andro fiasana ny alakamisy 21 marsa, hatao ny takarivan’ny zoma 22 marsa ny fankalazana, ao amin’ity ivokolo ity. Iarahana amin-dry zareo avy ao amin’ny Madagaslam, sampana Antananarivo izany. Malalaka ny fidirana sy ny sehatra, natao hanehoana sy […]
Auteur/autrice : Adnews
Mozika mihetsika: hisedra sehatra lehibe i Magic Jah
“Tsy manao fampisehoana na aiza na aiza aloha i Magic Jah fa manomana fety goavambe amin’ny taona 2024”. Tany amin’ny volana jona 2023 no nanaovan’ity mpanakanto ity io fanambarana io. Notanany ny teniny, ka hatao amin’ny alatsinain’ny Paka, ny 1 avrily izao, ilay fampisehoana “Baomba be”, araka ny anarany. Tsy […]
« Tsy manan-kialofana » : fohazin’i Ashiko ny sain’ny mpijery
Hosodoko anatina fafana folo, maneho ny lohahevitra « Tsy manan-kialofana » no namoahan’i Ashiko Ratovo ny aingam-panahiny, etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely. Raha haravona ho iray, fohazin’ity mpiangaly ny haikanton’ny ankehitriny ity ny saina amam-panahin’ireo mpitsidika. Ny fahitany ny endrika asehon’ny « Tsy manan-kialofana » eo amin’ny fiarahamonina no arantiny amin’ny […]
“Fianara Reggae Festival”: miditra amin’ny andiany fahasivy ny hetsika
Miditra amin’ny andiany fahasivy ny “Fianara Reggae Festival”. Hiavaka ity andiany ity, noho ny fanatsarana entin’ny mpikarakara. Tanterahina ny 29 hatramin’ny 31 marsa 2024, ao amin’ny Alliance Française Fianarantsoa, ny « Fianara Reggae Festival », andiany fahasivy. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ity gadona ity eto Madagasikara izany. Tanjona ny hampiroborobo ny Reggae any amin’ny […]
Miakatra ny vidim-piainana: maniry hisitraka fandidiana eny amin’ny Mercy Ships ny marary
Marary nefa tsy maharaka intsony ny vola eo am-paletanana entina mitsabo tena. Ahitana izany avokoa ny faritra sy ny distrika maro manerana ny Nosy. Anisan’ izany ny any Toamasina. Tonga tany an-toerana ny karnavalin’ny fahasalamam-bahoaka, entin’ny sambo lehibe Mercy Ships. Mandray an-tanana ireo marary aman’arivony sy karazan’aretina maro samihafa izy […]




