Zava-dehibe amin’ny fiatrehana ny loza ny fananana drafitrasam-pirenena. Misy ny fanentanana sy fanapariahana izany ataon’ny mpiantsehatra. Ho an’ny taom-pahavaratra 2023 -2024, nahafahana nampihena ny voka-dratsin’ny orambe sy ny loza ny fananan’i Madagasikara ny drafitrasam-pirenena. «Mahakasika ny fiomanana mialoha sy ny tandindon-doza izay nampiharina izany», araka ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitry […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Nahazo fandresena fahatelo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja Motocross indray, i Mathias Plantive ny alahady lasa teo teny Ambohidava. Marihina fa tamin’ity dingana fahefatra ity, mbola i Claudio Tida ihany no laharana faharoa. Araka izany, mbola eo amin’ny laharana voalohany hatrany i Mathias Plantive. Afaka tapa-bolana, hotanterahina […]
Lalao ara-pirahalahiana : nanomboka omaly ny fanazaran-tenan’ny Barea
Nanatanteraka fanazaran-tena tetsy amin’ny kianja «synthetique» Mahamasina, ny Barea de Madagascar, omaly. Efa tazana nanoman-tena niaraka tamin’ireo namany ny kapiteny, Raveloson Rayan. Toraka izany ny mpilalao mila ravinahitra any La Réunion, toa an-dry Berajo, Rojo Be, Ando Pro, Baggio. Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra […]
Triathlon : nanao pao-droa i Fitia Vanilla
Nisongadina ny zava-bitan’i Malalanirina Fitia, teo amin’ny fifaninanana Triathlon, notanterahina tany Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Fifaninanana nokarakarain’ny ECTA avy ao an-toerna. Nanao pao-droa ny tovovavy tamin’izany. Anisan’ny nahazoany fandresena ny teo amin’ny triathlon standard. 4 ora 44 mn 59 s ny fe-potoana azony, tamin’ny fanatontosana ireo taranja telo: ny […]
Lalao afrikanina: hiditra an-tsehatra, anio, ny Makis Ladies
Anjaran’ny Makis Ladies no miakatra kianja amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Ghana. Hanomboka anio ny fifanintsanana ho azy ireo. Tsy misy afa-tsy firenena dimy ny hiady medaly volamena. Hanomboka, anio, ny fifanintsanana ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy vehivavy eo amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Tsy misy […]




