Mivory mandritra ny telo andro eto Madagasikara ny CIJ (Conseil International des Jeux). Naneho ny fahavononany handray ny lalaon’ny Nosy 2023 i Madagasikara, nandritra ny fanokafana ny fivoriana omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia. Efa fantatra avokoa ireo toerana sy kianja handraisana ireo taranja 23 hifaninanana ka nampahafantarina ny CIJ, omaly. […]
Auteur/autrice : Adnews
Halatra bajaj tao Toamasina : voaheloka asa an-terivozona 5 taona i Siza José
Niakatra fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, ny alarobia 7 desambra 2022 teo, ny antontan-taratasin’ady laharana faha 115-Toa/22-3062-RP/21 nahavoarohirohy an’i Siza José sy ny namany. Tsy niatrika ny fotoam-pitsarana i Siza José raha nahazo fahafahana vonjimaika ireo namany roa lahy. Raha hiverenana ity raharaha ity, voampanga ho nandratra raim-pianakaviana […]
Etazonia sy Afrika: manamafy ny fiaraha-miasa
Nandray anjara tamin’ ny fikaonandoha lehibe ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ireo mpitondra amerikanina sy afrikanina ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny misolo toerana. Ho an’ny omaly, nikasika ny habakabaka izay nampiseho ny fandalinana eo amin’ny ara-tsiansa sy ara-barotra eny ana habakabaka. Anisan’ny hahafahana mamaha olana eo amin’ny toetr’andro, ny […]
Fiaraha-miasa amin’ny UA: nampitana lesona sy traikefa ireo mpanao politika
Hifarana, anio rehefa naharitra roa andro ny atrikasa iarahana amin’ny Vondrona Afrikanina, tanterahana eny Ivandry . Niompanan’ny lohahevitra ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny lafiny politika. Nasaina niatrika izany teny an-toerana avokoa ireo solontena avy amin’ny mpikambana eo anivon’ny Antenimiera roa tonta. Ny mpisehatra politika, ny tsy miankina ary koa […]
Antoko politika madio: mampanahy ny lisitry ny mpifidy
“Manontany tena izahay Antoko Politika Madio (APM) hoe ho tratra ao anatin’ny telo volana izay fe-potoana anaovana ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy ve ny fanisana? Hatreto, maro ireo olana tsapa ara-bola sy ara-pitaovana, ao amin’ny Ceni”, hoy ny filoha lefitry ny APM, Andrianarimalala Heritiana. Tokony hotanterahina mangarahara izany, […]