Nandray ireo delegasiona avy amin’ny Biraon’ny Firenena mikambana misahana ny fanohanana ireo tetikasa (Unops ) sy ny Banky iraisam-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Niompana amin’ny tetikasa fampandrosoana ny dinika tamin’izany. Nihaona fanintelony, teny Iavoloha, ny iraka notarihin’i Seck sy ny fitondram-panjakana malagasy, omaly. Nambaran’ny filoha, Rajoelina Andry, […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Olona fito indray naratra. Io ny vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Tsarasaotra Ambositra, omaly. Taksiborosy Sprinter iray avy any Fianarantsoa hiakatra aty Antananarivo no tra-doza tampoka. Vokatry ny fandehanana mafy ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara no voalaza fa antony nahatonga ny loza. Tsy nisy ny aina nafoy. Nentina […]
Fanesorana fako: tsy nandray karama, mitokona ny mpiasa
Mpiasan’ny SMA efatra no nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, nandritra ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo. Nitokona sy voalaza fa nanakorontana ny fifamoivoizana teny Ampasampito izy ireo. Nambara fa anton’ny fitokonana tsy nandray karama izy ireo. Sady nobahanana daba ny arabe no naongan’ny mpanao fihetsiketsehana izany. Naparitan’izy ireo teny an-dalàna, ny fako tao […]
Matetika miditra am-ponja: lavon’ny polisy ny jiolahy mpamerin-keloka
Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao amin’ny fokontany Tsararano Ambany, Mahajanga, omaly maraina, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra arahina herisetra. Efa fanta-daza amin’ny resaka halatra sy fanendahana ao an-drenivohitry ny faritra Boeny ity jiolahy ity. Tsy vitan’izay fa mpamerin-keloka sy efa matetika migadra ihany koa izy, raha ny tatitra nampitain’ny […]




