« Fitia maroloko », hozarain’ny Tropy Jeanette. Fampisehoana hira teatraly, notsoingaina tao anatin’ ireo tantara klasika nanana ny lazany, nolalaovin’ny tropy hatramin’izay, ity hatao rahampitso, etsy amin’ny IFM Analakely ity. Tafiditra anatin’ny hetsika «Temps Fort Théatre» ka anasany ny tropy zokiny indrindra eto Madagasikara mba handray anjara. « Tsidika fokotany […]
Auteur/autrice : Adnews
« Gout France 2024 » : hisongadina ny haify frantsay
Tanterahina ny 12 sy 13 marsa 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny «Gout de France 2024». Hetsika eo amin’ny sehatry ny haify sy nahandro frantsay. Mpisehatra avy eto an-toerana sy avy any ivelany no hifampizara sy handranty ny fahaiza-manaony amin’izany. Ny mahakasika ny haify frantsay no […]
25 taona an-tsehatra : Etsy Antaninarenina ry Tempo Gaigy
Niezaka nanatontosa ny endri-tseho rehetra, araka ny filàn’ny mpankafy ry Tempo Gaigy. Taorian’ny fampisehoana goavana ankalamanjana, ny «cabaret» amin’ny alina, hiroso amin’ny seho anaty efitrano indray izy ireo, anio. Manome fotoana ireo mpankafy etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Faniry sy ny tariny, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. «Tena fampisehoana […]
Kolontsaina malagasy : mifameno ny lahy sy ny vavy
Firenena tia sy mora babon’ny fakan-tahaka ny Malagasy. Izay mipoitra any ivelany, arahina avokoa. Mihintsana tsikelikely ny maha izy azy. Voatazona miandalana ny an’ny hafa ka zary miteraka hambo hafahafa ! Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, hono, ny omaly. Rehefa mety hanehoana ny «lanjan’ ny vehivavy» eo amin’ny fiarahamonina, natao […]
FANTINA sy FINTINA
« Efa vonona ny hampihatra ny famosirana ny mpitsara”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nohitsiny fa efa maro ireo zaza tsy manan-tsiny lasibatra noho ny fanolanana. Ao ireo mitondra takaitra mandra-pahafaty, ao ireo niteraka zaza tsy niriana na maty. Mitaky ny hamerenena ny handinihina ny lalàna momba […]




