Nitondra fanazavana momba ny hevitry ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina mahakasika ny famosirana ny minisitry ny Fitsarana. ”Tsy tokony hotsabahin’ny vahiny ny raharaham- pirenena”, hoy izy. “Ny fiantsoana an-dRtoa masoivohon’ ny Vondrona Eoropenaina eto Madagasikara teto amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny androany dia nahazoana namerina fa firenena mahaleo tena sy manana ny fiandrianany i Madagasikara”. […]
Auteur/autrice : Adnews
Androbe: Aretin’ny atidoha faharoa hanatonan’ny olona hopitaly
13 amin’izao fotoana izao ny neurologue spécialiste miasa manerana ny Nosy. Ny mpitsabo ny aretina ankapobeny koa dia nahazo fiofanana momba ny « neurologie » nandritra ny fianarany ho mpitsabo ary afaka mandray an-tanana ny olona tratran’ny androbe, hoy ny neurologue interniste ao amin’ny service neurologie-HJRB, Razafimahefa Julien. Maneran-tany, 50 tapitrisa ny […]
Morondava : nohavaozina ny Lycée technique professionnel
Niova endrika tanteraka ny efitrano fampianarana sy fanamboarana sambo vita amin’ny hazo ao amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) Morondava, faritra Menabe, noho ny fiaraha-mientan’ny mpianatra sy ny tanora ao anatin’ny fikambanana Io Renala. Narenina ny trano falafa teo aloha ary lasa trano biriky mitafo fanitso. Nofaranana tamin’ity herinandro ity ny […]
Fiforonana andro ratsy: Tombanana hipaka ao Sava rahampitso
Manomboka mitoetra ny « anticyclone » ao atsimon’i Madagasikara. Hita taratra amin’ny tapany avaratry ny Nosy ihany koa ny ampahan’ilay Zone de convergence intertropicale (ZCIT). Mifandray amin’izay ZCIT izay dia misy faritra andro ratsy any amin’ny manodidina ny 1 500 km atsinanan’Antsiranana, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Araka […]
Ankatoky ny fanadinana: Sahirana ireo mpianatra amin’ny kaominina tsy misy dokoteram-panjakana
Misedra fahasahiranana ireo sekoly amin’ireo kaominina tsy manana dokoteram-panjakana eny anivon’ny CSBII. Tsy afaka manao fizaham-pahasalamana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny distrikan’Ambohidratrimo no nanaovan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ny tatitra isan-karazany. Tamin’izany no nahafantarana fa tsy manana dokotera ny CSBII ao amin’ny kaominina Ampangabe efa ho […]




