“Sarotra ny mieritreritra fa mbola tafaverina amin’ny toerany ny ankamaroan’ireo minisitra”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Misy amin’ireo minisitra vaovao no manana antontan-taratasy hafahafa. Misy amin’ireo kandidà ho filohan’ny Repoblika teo no fantatra fa nandefa antontan-taratasy momba azy mba ho minisitra, nefa tsy nisy voaray na iray aza. […]
Auteur/autrice : Adnews
Raholdina Naivo : “Manan-danja ny fianianan’ny minisitra”
“Manan-danja araka ny lalàna ny fianianana”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritanin’Antananarivo, Raholdina Naivo, ny amin’ny fianianan’ireo mpikamban’ny governemanta mialoha ny handraisan’izy ireo ny asany. Niteny ry zareo hoe vonona hiaina amin’ny lalàna. Rehefa niteny ny tena hoe sazina raha manao an’izao na izatsy. Raha tratra tokoa ny tena […]
Miantoka ny ho avy
Miteraka resabe etsy sy eroa ny mahakasika ny fenendrena ilay tovolahy, vao 27 handray 28 taona, ho minisitry ny Tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy. Maro kokoa ny manana fijery miiba noho ireo matoky ny ho fahombiazany. Any anaty fiara fitateram-bahoaka, eny amin’ny tambajotran-tserasera dia samy manovokovoka avokoa, mitondra fanehoan-kevitra. […]
Andriantsitohaina Naina: “Ny vahoaka no tena hifantohantsika”
“Miara-miasa, miasa mafy sy haingana”, hoy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, nandritra ny famindram-pahefana taminy. Laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny fanambin’ny Filoham-pirenena. Nandray ny fahefana amin’ny maha minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany azy Andriantsitohaina Naina. Tontosa, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy […]
TSELATRA
Vehivavy iray naratra latsaka tao anaty lavaka teny Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly hariva. Niakatra izaitsizy ny rano tao anatin’ny ora-nikija. Avy nirava niasa izy tamin’io fotoana io ka teny an-dalana hody no nitranga ny loza. Latsaka tao anaty lavaka izy saingy voatazon’ireo olona niara-dalana taminy. Tsy hay rahateo ny manavaka ny lalana […]




