Auteur/autrice : Adnews

12 janoary : nankalazaina omaly ny Andron’ny manamboninahitra

Fotoan-dehibe sy miavaka ho an’ireo manamboninahitra ny andron’ny omaly. Fotoana miavaka ihany koa hanomezana voninahitra sy hahatsiarovana ny fitakiana nataon’ny mpianatra ho manamboninahitra tamin’izany. Tontosa omaly 12 janoary 2024 ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra. Nahitana izany fanamarihana izany avokoa ireo toby miaramila sy zandary maro nanerana an’i Mada­gasikara. Samy nanana […]

Toetr’andro: mihaodihaody ny rivodoza manaraka

Nampahafantatra ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandria­nom­by, omaly, fa misy rivodoza mihaodihaody ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Oma­ly, any amin’ny 950km avaratra atsinanan’Antalaha ny foibeny. Rivodoza faharoa nipoitra tamin’ity vanim-potoana fahavaratra ity io miforona io, aty amin’ny fari-dranomasina ma­nodidina an’i Madagasikara. Miha mitombo hery ity rivodoza ity ka […]

Tily eto Madagasikara: Skoto maherin’ny 5 000 hankalaza ny faha-100 taona

Ny 27 janoary izao no hanamarihina ny faha-100 taonan’ny skoto, Tily, eto Mada­gasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, Mahamasina, ny hetsika fanokafana izany amin’ny fomba ofisialy fa hisy ihany koa manerana ny distrika. Maherin’ny 5 000 ireo sko­to andrasana eny Mahama­sina amin’io. Aorian’ny fanompoam-pi­vavahana, hisy ny foaraben’ny Tily, hanasongadinana ny ta­len­ta […]

Fianarana teny japoney: mitantara ny niainany tany Japana i Tafita

Taona fahatelo ao amin’ny fakiolten’ny teny sy siansa maha olona an’ny Oniversiten’Antananarivo i Tafita ary ma­naraka ny lalam-piofanana teny Anglisy sy Japoney. Nahazo vatsim-pianarana herintaona avy amin’ny fanjakana japoney izy, ka nihazo an’i japana, ny volana septambra 2022, mba hianatra sy handalina ny teny sy kolontsaina japoney tao amin’ny Doshisha […]

Famatsiana fanafody amin’ny drone: maherin’ny 3 900 ny sidina vita tamin’ireo faritra 5 niasana

Manampy fianakaviana maro any ambanivohitra amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fampiasana drone. Nanao tombana ny zava-bita tamin’ny fampiasana drone ny masoivoho amerikanina nandritra ny fitsidihana ny orinasa AerialMetric izay manamboatra drone. Fantatra, tamin’izany, fa nahavita sidina 3 900 ireo drone miasa hamatsiana fanafody sy vaksiny ary kojakoja ilaina amin’ny fahasalamam-bahoaka. […]