Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny atrikasa fampiofanana ny mpanabe ny kanto eny amin’ireo Tranombokim-pokontany eto amin’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra. Efa nisy ny atrikasa natao ny alarobia lasa teo ary hitohy amin’ny resaka fitaovana mahakasika ny hosodoko ny dinikasa, anio. Tanjona ny hampiroborobo ny haikanto avy eny ifotony. […]
Auteur/autrice : Adnews
Taona 2024 : hovelarin’ny « La St’Art Project » ny sehatrasany
Taona 2019, natsangan-dRazafindralambo Tsilavina ny « La St’Art Project » misehatra amin’ny fikirakirana ny sary sy ny feo… Misandrahaka hatrany amin’ny fanaovana asa soa toy ny fizarana fanampiana (Sakafo masaka, akanjo…) ho an’ireo tena sahirana. «Tsy hijanona hatreo amin’ny famokarana rakitsary sy ny fikirakirana ny feo (fandraisam-peo) fa hanohy izany amin’ny fanatanterahana […]
FANTINA sy FINTINA
Hambara rahampitso alahady amin’ny 5 ora hariva, raha tsy misy ny fiovana, ny ho firafitry ny governemanta vaovao. Mbola nitohy omaly, ny fandaminana faramparany ireo ho minisitra ho eo ambany fitarihan’ny lehiben’ny governemanta, i Ntsay Christian, izao. “Tsy afa-bela amin’izao fahantrana izao ny praiminisitra”, hoy ny depiote sady filohan’ny MTS, […]
CMVP-Safid : “Ny fifidianana depiote no tokony hatao mialoha”
“Aleo tsy manao fifidianana alohan’ny 15 mey. Manaraka, raha azo atao: aleo ny fifidianana depiote no handeha aloha any amin’ny fiandohan’ny jolay, ohatra. Aorian’ izay ny fifidianana kaominaly any amin’ny aogositra, ohatra”. Io ny tolo-kevitry ny avy amin’ny Cellule de moralisation de la vie publique-Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid) […]
Mahay mifampitsinjo
Araka ny efa fantatsika, mirongatra ny areti-maso amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Areti-mifindra saingy azo tsaboina tsara. Midika izany fa tsy azo tsinontsinoavina ny fiparitahany. Toraka izany ny fomba fisehony amin’ny marary. Mitaky fitandremana lehibe sy matotra. Tsy vitan’ny mpitsabo na ny mpitondra fanjakana samy irery ny fanentanana […]




