Mpianadahy indray no niara-namoy ny ainy nilatsaham-potaka, afakomaly, tany Andranomanelatra Antsirabe nandritra ny oram-baratra niseho tany an-toerana. Ankizy mpianadahy niara-namoy ny ainy nilatsaham-potaka tao Tsararavaka, Andranomanelatra, Antsirabe II, afakomaly. Nivatravatra ny orana ka nialoka teo ambany lavarangana ilay ankizy iray. Nitazana io mpiray tampo aminy io avy eny an-davarangana ny […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Nampahafantatra ireo fambaran’aretina heverina ho tiberkilaozy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mila mailo raha toa ka mihamahia, tsy mazoto homana, mikoha-maina maharitra…Maimaimpoana ny fitiliana ny aretina tiberkilaozy. Toraka izany ny fanafody sy ny fandraisana an-tanana ny zaza mila fitiliana. Mitohy ny lamina amin’ny fandraisana fisotroan-dronono. Omaly no anjaran’ireo manana laharana miafara amin’ny […]
Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana : traboina 6 764 novatsin’ny Amerikanina sakafo
Ho fanavotana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Alvaro teo, nanome tolo-tanana i Etazonia, amin’ ny alalan’ny USAID sy ny PAM, hiaraha-miasa amin’ny BNGRC. Nanampy tamin’ny fanombanana sy fizarana fanampiana izy ireo. Nomena vary, menaka ary sakafo be otrikaina milanja 4,7 taonina avy amin’ny USAID, ireo olona nafindra toerana miisa […]
Sampana mpamonjy voina : vonona amin’izay loza mety hiseho
Nampahafantatra ny sampana mpamonjy voina ao amin’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao dia mety hisy ireo hazo ahiana hidaraboka ka mety hampidi-doza. Nanentana, araka izany, ny CUA mba hampandre haingana ny sampana mpamonjy voina amin’ny laharana 118 raha vantany vao mahita tranga mifanaraka na mampiahiahy. Ny […]
Analamanga: efa ahitana trangana areti-maso conjonctivite
Napetraka ny fepetra sakana rehetra eny amin’ny tobim-piantsonan’ny fiarakodia mba tsy hampiparitaka ilay areti-maso. Na izany aza, efa misy tratran’io aretina io eto Analamanga. Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny tomponandraikitra ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamana eto Analamanga, efa tonga eto Antananarivo ilay areti-maso conjonctivite. Efa misy ny trangan’aretina ary efa […]




