Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana : traboina 6 764 novatsin’ny Amerikanina sakafo

Ho fanavotana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Alvaro teo, nanome tolo-tanana i Etazonia, amin’ ny alalan’ny USAID sy ny PAM, hiaraha-miasa amin’ny BNGRC. Nanampy tamin’ny fanombanana sy fizarana fanampiana izy ireo.

Nomena vary, menaka ary sakafo be otrikaina milanja 4,7 taonina avy amin’ny USAID, ireo olona nafindra toerana miisa 6 764 any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana.
“Io fanomezana io dia hanampy ireo nafindra toerana any amin’ny faritra saro-dalana hisitraka sakafo mahavonjy aina haingana ho azy ireo, mandritra ny herinandro”, hoy ny tale jeneralin’ny USAID/Madagasikara, Miche­le Russell.
Mbola eo am-panaovana tombana ny filàna maika ny PAM sy ny BNGRC, taorian’ny fizarana sakafo sy kojakoja vonjy maika isan-karazany. Mety hisy ny fizarana fanampiny, izay vatsin’ny vahoaka amerikana vola, arakaraka ny vokatry ny tombana, heverina ho vita amin’ity herinandro ity.

Tsiahivina fa namoizana ain’olona 19, traboina 33 000 ary 17 000 mahery tsy main­tsy nafindra toerana, tany
amin’ny faritra dimy eto Ma­dagasikara, vokatr’iny rivodoza Alvaro iny. Ankoatra izay, trano 6 500 mahery no dibo-drano, efitrano fianarana 15 no simba na rava tanteraka.

Tatiana A

Partager sur: