Mitombo isa tsy tapaka ny tarika mihira. Tsy vitsy amin’izy ireny ny mamorona, fa maro ihany koa ny mamerina. Ireo mamorona, saika mirona any amin’ny gadona malaza sy mivelatra be maneran-tany, amin’izao vanim-potoana izao. Hira ampiasana ireo fitaovana raitra hoentina manova ny feon’ny mpihira. Mampiditra feon-javamaneno maro, sns. Ireo mamerina […]
Auteur/autrice : Adnews
Madagaslam : “Hitohy ny fanatrarana ny tanjona napetraka”
Maro ny fifaninanana Slam avo lenta sy lehibe amin’ity taona 2024 ity. Hisy ny atrikasa sy fiofanana maro samihafa. Miisa telo ny hetsika lehibe miandry ny Madagaslam, amin’ity taona 2024 ity, araka ny nambaran’i Tajero, tomponandraikitra eo anivon’ity fikambanana mamondrona ny mpiangaly “Slam poèsie” eto Madagasikara ity. Voalohany, ny “Slam […]
Famokarana saribao ekolojika: miaro ny tontolo iainana, manatsara ny fiveloman’ny vehivavy sahirana
Efa manomboka miroborobo maneran-tany ny famokarana orinasa mikendry ny fanajana ny tontolo iainana. Anisan’ireny ny tetikasa famokaran’ny fikambanam-behivavy “Arimbao” eto an-drenivohitra. Misy fikambanam-behivavy 30 avy ao amin’ ny fokontany Andohatapenaka II, misehatra amin’ ny famokarana arina fandrehitra ekolojika «Arimbao». Vehivavy Mahery no anaran’ny fikambanan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa vokarin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Niisa 222 848 ny mpizahatany nitsidika an’i Madagasikara, tamin’ny taona 2023. Mahavelombolo an’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany io tarehimarika io, satria manakaiky ny tamin’ny taona 2019, talohan’ny krizy Covid-19. Toy ny tomponandraikitry ny fizahantany, ny mpandraharaha, ny mpitaridia, ny tompona trano fiantranoana, sns. Volavolaina ny Paikadim-pirenena hampandrosoana ny sehatra tsy miankina […]
Mitotongana ny sandam-bola : mihoatra ny 5 000 Ar ny iray euro
Mitohy hatrany ny fitotonganan’ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny vola vahiny euro. Niainga 4 990 Ar izany tamin’ny 11 ora maraina. Tafakatra ho 5 010 Ar tamin’ny fifanakalozam-bola, nikatona tamin’ ny 3 ora tolakandro, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nisanda 4 990,67 Ar ny salanisa ofisialy, ho an’ny […]




