Auteur/autrice : Adnews

Matsilo: “Sarotra ny hiatrehan’ny fitondrana ny fahasahiranam-bahoaka”

“Ny fahitako azy, sarotra dia sarotra ny hahazoan’ny fitondram-panjakana hiatrika ny fahasahiranam-bahoaka: ny jiro tapaka, ny rano tsy misy… Ain-dehibe iankinan’ny fiainana avokoa izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Matsilo, Randrianai­voarivony Jeannot. Tsy afa-misaraka amin’ny fanatsarana ny fihariana sy ny toekaren’ny firenena ny fiainana sosialy. Ny dikan’izany: tsy maintsy […]

Namearison Robert : “Tokony hisokatra amin’ny fakan-kevitra ny fitondrana”

Hanao ahoana ity taona ity? Indrindra ny amin’izay hisian’ny fitoniana politika… Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Tokony hisokatra amin’ny fakan-kevitra sy fivoriana lehibe hahitana ny ankolafin-kery rehetra ny fitondrana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Inona no tokony hatao hisian’ny fitoniana politika? I Namearison Robert […]

TARATRY ny KANTO

« Stand Up Comedy ». Tontosa omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fampisehoana nokarakarain’ny fikambanana mpanao hatsikana maro, niarahana tamin’ny DACVC. “Open mic, without mic” no lohatenin’ny hetsika. Ny karazana ha­tsikana Stand-Up no tena nasongadina tao anatin’ izany. Manomboka miverina tsikelikely eo amin’ny sehatry ny mozika i Teddy Prezeau, […]

Mpamorona sady mpanentana : manohy ny lalany i Jack’s Raz

Razanadrakoto Jackie Nantenaina, na i Jack’s Raz, eo amin’ny mozika. Ankoatra ny maha mpamorona feon-kira sy tonony azy, havanana amin’ny fanentanana lanonana ihany koa izy. Fantatra fa hanohy ny lalana nodiaviny ity mpanakanto ity. Mifototra indrindra amin’ny fampiasana ny feon-gitara hoenti-mandravaka ilay feo avo sy kanto ary rakotra angola i […]