Auteur/autrice : Adnews

Miandrivazo: andalam-pahavitana ny biraon’ny Bam

Nidina tany Miandrivazo ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena voajanahary (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny faran’ny herinandro teo. Anton-diany ny fanaraha-maso ny fanorenana ny biraon’ny fitantanan-draharahan’ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Ampanasana Miandrivazo. Ao anatin’ny vinan’ny filoham-pirenena rahateo ny “fanjakana manakaiky vahoaka”. Paikady mamaha ny olan’ny mpisehatra […]

Fadintseranana aty Afrika ESA: handray fanapahan-kevitra hoentina any amin’ny OMD

Mandray ny fivorian’ny sampana iray ao amin’ny Fiombonambe iraisam-pirenena ny fadintseranana (OMD), aty Atsinanana sy Atsimon’i Afrika ary ny ranomasimbe Indianina (ESA) i Madagasikara, omaly hatramin’ny 25 novambra 2022 eto Antananarivo. Voalohany izao Madagasikara mandray izany fivoriana iraisam-pirenena izany. Mpikambana ao amin’ny OMD i Madagasikara hatramin’izay , manana rantsan-mangaika telo […]

Federasionin’i Rosia: manokana vatsim-pianarana 40 ho an’ny mpianatra 

Nanome vatsim-pianarana 40 ho an’ny mpianatra ny Federasionin’i Rosia ary misandrahaka amin’ny sampam-piofanana maro izany ho an’ny taom-pianarana 2023-2024. Natokana ho an’ny mpianatra vao afaka bakalorea ny tolotra ka efa-taona ny faharetan’ny fotoam-pianarana, roa taona kosa ho an’ny mpianatra hanomana Master, dimy taona mahery ho an’ny olona hiofana manokana amin’ny […]

Randrianandrasana Jean Jacques: miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo lalina ny mponina

Nitondra ny feon’ny mponina ao aminy ny ben’ny Tanànan’Ampanihy , Randrianandrasana Jean Jacques, nilaza fa miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo lalina ny mponina. Efa hatramin’ny taona 2019 no nampijaly ny rotsak’orana. Tsy misy vokatra vanona, fatiantoka aza no hita amin’ny fividianana masomboly. Maty fotsiny ny fambolena satria tsy misy orana. Nisantatra […]

SENVH: mangarahara ny fandraisana mpiasa EFA

Misy ny fandraisana mpiasam-panjakana EFA nanaovana  filazana tamin’ny haino aman-jery sy ny peta-drindrina nataon’ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) . Am-perinasa ny rafitra miady amin’ny kolikoly hisian’ny mangarahara ao anatin’izany fandraisana mpiasa izany, raha ny fanazavana nentin’ny lehiben’io rafitra io, Rakotondrabe Harisolofo. Voaaraka ny fepetra rehetra […]