Randrianandrasana Jean Jacques: miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo lalina ny mponina

Nitondra ny feon’ny mponina ao aminy ny ben’ny Tanànan’Ampanihy , Randrianandrasana Jean Jacques, nilaza fa miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo lalina ny mponina. Efa hatramin’ny taona 2019 no nampijaly ny rotsak’orana. Tsy misy vokatra vanona, fatiantoka aza no hita amin’ny fividianana masomboly. Maty fotsiny ny fambolena satria tsy misy orana.

Nisantatra ny rotsak’orana voalohany ny tany Ampanihy tamin’ny tapa-bolana, saingy tsy ampy iasana izany. Matetika koa, am-bolana maro aorian’iny vaky orana iny indray vao misy milatsaka.

Misakafo tsy ara-dalana, araka izany, ny mponina manodidina ny 10.000 any an-toerana. Raketa na ravina raketa sisa no hanina, tsy lainga izany fa tena zavatra iainan’ny mponina, indrindra ireo any ambanivohitra lavitra tanàna, hoy ny ben’ny Tanànan’Ampanihy nanamafy ny kere misy any an-toerana.

Fahavokaran’ny manga izao any an-toerana, Manga no atao foto-tsakafo, andrahoana. Lafo rahateo ny entana eny an-tsena vokatry ny haratsian-dalana. Iri-mahaory ihany ny orana satria miteraka kere ny tsy filatsahany. Manamafy ny haratsian-dalana kosa anefa ny firotsahany.

Miakatra mitady asa eo Ampanihy ireo avy any ambanivohitra

Vokatry ny kere, tsy fisiana hanina any ambanivohtra lavitra dia betsaka ireo tonga mifindra monina mamonjy ny tanànan-dehibe eto Ampanihy. Aleon’ny olona mikarama mantsaka rano na mitaona entana na manasa lamba… dia misy hividianana sakafo toy izay hijanona maty mosary any ambanivohitra any. Misy aza tonga misoratra anarana ho olona mahantra ary tonga  hatramin’ny mangataka. Na raim-pianakaviana na lahy na vavy dia tonga miakatra eo an-tanànan’Ampanihy.

55 ny fokontany ao anatin’ny kaominina Ampanihy. 5 amin’ireo ihany no akaikikaiky manodidina eo. Any amin’ny 65km kosa ny ankamaroan’ny fokontany 60 hafa izay tena miaina anaty fahantrana lalina. Sahirana ara-pivelomana ary miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo avokoa ny 80% n’ny mponina.

Tatiana A

Partager sur: