SENVH: mangarahara ny fandraisana mpiasa EFA

Misy ny fandraisana mpiasam-panjakana EFA nanaovana  filazana tamin’ny haino aman-jery sy ny peta-drindrina nataon’ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) .

Am-perinasa ny rafitra miady amin’ny kolikoly hisian’ny mangarahara ao anatin’izany fandraisana mpiasa izany, raha ny fanazavana nentin’ny lehiben’io rafitra io, Rakotondrabe Harisolofo.

Voaaraka ny fepetra rehetra amin’ny  fifantenana ireo ekipa hanampy amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Mangarahara tanteraka ny fametrahana ny antontan-taratasy. Tsy misy olom-pantatra na fifandraisana manokana amin’ny mpiara-miasa izy ireo fa mitovy tantana avokoa ireo mpametraka fangatahan’asa rehetra teo amin’ny SENVH.

1000 mahery ireo olona tonga nisoratra anarana maniry ny hisitraka ny tolotrasa. 20 ihany anefa no efa nampahafantarina tany am-piandohana fa horaisina. Mijoro mampihatra ny mangarahara amin’ny fifantenana ireo tena sangany sy mahavaly ny filana tadiavina, araka izany, ny sampana miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly.

Manerana an’i Madagasikara ny tetikasan’ny filoham-pirenena ary sarotiny amin’ny fanarahana ny fenitry ny kalitao ny tenany ka izany indrindra no ilana ireo tena manam-pahaizana sy olo-mendrika amin’ny fanatanterahana izany asa izany. Mahakasika ny tanora rehetra manerana ny Nosy, araka izany, ny fandraisana mpiasa satria miparitaka any rehetra ireo tanora ireo. Ingénieurs en BTP et suivi des travaux,  Ingénieurs en génie Civil, Ingénieurs en hydraulique, Architectes, Géomètres-Topographes, Economistes, Sociologues, Analystes Financiers, Juristes. Ireo no tolotrasa misy ka ireo mahafeno fepetra no horaisina.

Tatiana A

Partager sur: