Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Nanatrika ny fivoriambe faha-12-n’ ny filankevitry ny fiangonana afrikanina rehetra natao tao Abuja Nigeria, ny mpitandrina Andriamihafa Lanto Chantal sy Rako­tomamonjy Helisoa Miora Fanantenana, Mpana­zava avy ao amin’ny Faritany Analamanga Avaratra. Nandi­nihana lohavevitra 12 ny fihaonana. Saro-pady ny fampiasana fanafody ka manentana ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ny fanarahana tsara ny toromariky […]

Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro : tetikasa 26 novatsin’ny Frantsay 750 000 euros

Natomboka ny herinandro teo ny tetikasa 26 nentin’ireo fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena malagasy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nahazo tohana ara-bola avy amin’ny masoi­vohon’i Frantsa, mitentina 750 000 euros izy ireo. Na­hazo fiofanana ireo fikambanana ireo nandritra ny herinandro manontolo. Misy ny fanamafisana ny tambajotra iraisana sy ny fifampizarana fahaiza-manao mialohan’ny […]

Vokatry ny VIH/ Sida : olona iray isa-minitra no maty maneran-tany

Ilaina ny fampiharana sy ny fanatsarana ny lalàna, lany ny taona 2005, momba ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida, ahafahan’izy ireo misitraka ny fitsaboana sahaza azy. Olona iray isa-minitra no mamoy ny ainy noho ny Sida, maneran-tany, araka ny voalazan’ny sekre­tera jeneralin’ny Firenena mikambana, Antonio […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Fandresen’ny vahoaka malagasy ny fandreseko”

Naneho hevitra tao amin’ ny pejy “Twitter” ny kandidà Andry Rajoelina, omaly, ary nanamafy ny efa nambarany tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika, navoakan’ny Ceni, farany teo. Nambarany tamin’ izany fa tompon’ny fahefana ny vahoaka. “Noporofoinareo izany satria zava-dehibe loatra ny fanajana ny safidin’ny tsirairay. Fandresen’ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny fandresena azoko”, hoy […]