Zavamaneno, anisan’ny mbola tanora eo amin’ ny sehatry ny zavakanto, indrindra ny eto Madagasikara ny Saxophone . Manana anjara toerana lehibe amin’ny tontolon’ ny “pop” sy ny “jazz” maneran-tany izy io. “Tena akaiky indrindra amin’ny feon’olombelona amin’ireo zavamaneno rehetra misy maneran-tany ny saxophone”, hoy i Andry, mpitsoka saxophone, raha nanontaniana. […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Nigadona ao Mahajanga ilay sambo vaventy, Le Jacques Cartier, mpitondra mpizahatany. Nitsidika ny tanànan’i Mahajanga sy ireo toerana mampiavaka azy ny 139 tamin’ireo 184 mpandeha. Mbola hiverina handalo ao an-toerana ny 27 desambra izao ity sambo vaventy ity raha toa ka andrasana ny alahady izao ny sambo lehibe iray hafa. […]
MADAGASIKARA: manana paikady hampiroboroboana ny indostria
Fanamby apetrak’i Madagasikara ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria amin’ny alalan’ny paikady roa sosona hanatanterahina izany. Fisarihana ireo mpampiasa vola goavana izay mila fotoana elaela kokoa raha toa ka ny fampiroboroboana ny indostria madinika haigam-pivelarana, ny iray hafa, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, […]
Mihenjan-droa
Milaza tsy tia vary mohoka kanefa mahalany sosoa be rano, izay no azo ilazana ny mpanao politika malagasy ankehitriny. Manenjika sy manilika olom-pirenena lazaina fa vazaha kanefa miantso vonjy any amin’ny vazaha. Ny zava-doza, manankina ny hoavin’ny firenena iray manontolo any amin’ny vahiny. Mikiribiby mihitsy ny handrombaka fahefana amin’ny […]
Tetikasa Efaho: mandroso ny asa fametrahana ny fantsom-be
Eo am-pamaranana ny fanajariana ny toerana malalaka hametrahana ny fotodrafitrasa hisintonana ny rano avy ao amin’ny reniranon’Efaho any Taolagnaro. Mirefy 97 km ny fantsom-be miainga ao amin’ity renirano ity hatrany Ambovombe. Tonga nijery ifotony tany Esalo, kaominina Manambaro, distrika Taolagnaro, ny fizotry ny tetikasa Efaho ny praiminisitra (PM) Ntsay Christian, […]




