Resa-bola ! Tsy tanteraka hatramin’ny omaly tolakandro ny fandinihan’ireo loholona ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023 noho ny fitokonan’NY mpiasa. Nitokona tsy nety nanatanteraka ny asany ireo mpiasan’ny Antenimierandoholona, etsy Anosy, omaly. “Tsy mbola nandray ny karama izahay raha efa nahazatra ny fahazoana izany isaky ny faha-25 amin’ny volana itsahina”, […]
Auteur/autrice : Adnews
Nandoro kodiarana ny mponin’Itaosy sy Ampefiloha
Efa ho lava, naneho ny hatezerany teny an-dalambe ny mponina tetsy Ampefiloha sy Itaosy, omaly hariva. Leo ny fahatapahan-jiro matetika, nanakan-dalana mihitsy izy ireo. Tsy nionana tamin’ny fanakanan-dalana fa nandrehitra kodiarana teny amin’ny arabe izy ireo. Nataon’izy ireo hanairana ny fitondram-panjakana ity fihetsika ity. Ho an’ny tetsy Itaosy, tsy afa-nandeha […]
Jery taratra…
Lalàna… ifampitokisana Miverina amin’ny laonina ny karaman’ireo mpirakidraharaha fitsarana miisa 56 amin’izao volana desambra izao. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana fa tsy misy karama, rehefa tsy misy asa. Niteraka resabe ny fanoharana ny mpirakidraharaha ho toy ny mpiasa an-trano amin’izany. Misy ny fanangonan-tsonian’ny depiote amin’ny tsy fenekena izany, fa samy mpiasam-bahoaka […]
Tsy marefo izany…
Teboka iray lehibe no andeha horesahina anio. Ny mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena momba ny olona manana fahasembana rahateo isika anio. Hatramin’izao, mbola iharan’ny fanambaniana sy ny fanilikilihana hatrany izy ireny na eny anivon’ny fianakaviana, na eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy nisy nisafidy ny hanana toe-batana […]
Migadra ny mpanao sonia: tsy ampy solika, mihamafy ny delestazy
Taorian’ny fampidirana am-ponja ireo tale tao amin’ny Jirama, tsy misy intsony ny mpanao sonia. Mihitsoka ny taratasim-bola tokony hakana solika. Vokany, mihamahery vaika ny delestazy. Sempotra tanteraka! Vao mainka tena mahery vaika ny faharetan’ny fahatapahan’ny herinaratra na delestazy, indrindra nanomboka ny alakamisy 1 desambra teo. Tsy adiny roa araka izay […]