Auteur/autrice : Adnews

Vovonana Pan-FFKM: “Hikaro-bahaolana hatrany”

Nanao fanambarana ny Vovonana ho amin’ny fifampidinihana, tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, (Pan), sy ny avy amin’ny FFKM, teny Tsimbazaza, omaly. Nasongadin’izy ireo tamin’izany fa hanohy ny asany ary mbola miantso ny rehetra ho amin’ny fifampidinihana ity vovonana ity. “Tsy hitsahatra ny hitady vahaolana hipetrahan’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto […]

Fiahiahiana fanalam-baraka : nosamborina ny kandidà Paraina Auguste

Nosamborina, omaly, teny Ivato, ny kandidàn’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste. Nohazonina eny amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC) Anosy, ny tenany hatramin’ny omaly hariva. Voalazan’ny loharanom-baovao fa nahazo ny taratasy fampiantsoana ity kandidà ity, tokony ho tamin’ ny 1 ora tolakandro, omaly. Namaly ireo mpitandro filaminana […]

Tenisy sokajy vehivavy: misongadina i Madagasikara

Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay notanterahina teto amintsika, ny 25 aogositra -3 septambra lasa teo, ka nahazoan’ny vehivavy mpilalao tenisy ny medaly volamena roa. Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ireo Malagasy, vehivavy mpilalao, ity taranja ity. Raha ho an-dRazafinarivo Mirindra, nahazo amboara telo tamin’ny fifaninanana telo natrehany, ho an’ny lalaon’olon-tokana […]

SOMBIM-BAOVAO

Ampivoarina ny fahaizan’ny teknisianina any amin’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja baolina kitra. Ho­tanterahina ny 15 novambra ho avy izao, ao amin’ ny Stade Velodrome, Antsirabe, ny fiofanana « Stage d’Appui », ho an’ireo mpanazatra manana ny mari-pahaizana « Licence D » sy « Licence C » an’ny CAF, ao amin’ity ligim-paritra ity. Hotanterahina ny 19 novambra ho avy […]

BAREA : nanomboka omaly ny fanazaran-tena

Afaka roa andro, hanomboka ny fifanintsanana ny hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny « Mondial Etats Unis 2026 », taranja baolina kitra, aty Afrika. Efa nanomboka nanao ny fanazaran-tenany tany Accra Ghana ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy. Marihina fa hifanandrina voalohany amin’izy ireo mandritra ity fifanintsanana ity ny ekipa nasionalin’i Ghana, Black Star, […]