Tsy marefo izany…

Teboka iray lehibe no andeha horesahina anio. Ny mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena momba ny olona manana fahasembana rahateo isika anio. Hatramin’izao, mbola iharan’ny fanambaniana sy ny fanilikilihana hatrany izy ireny na eny anivon’ny fianakaviana, na eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy nisy nisafidy ny hanana toe-batana tsy mitovy amin’ny besinimaro. Voajanahary, manamarika ny fahasamihafana amin’ny zanak’olombelona. Midika izany fa harena ho an’ny zavaboary nohariana izay fihavahana hananan’ny tsirairay izay.
Manolona izany, tokony hiova ny toe-tsaintsika mianakavy. Andaniny, mila manana fomba fisaina miaabo hatrany ny olona manana fahasembanana. Tsy manaiky ho resin’ny tsy fitoviana amin’ny maro, mila mamadika izany ho angovo ho enti-mihoatra. Firifiry ny olona manan-kilema, tafavoaka amin’ny fiainana. Baikoin’ny hambom-pony sy ny fikirizany. Tsy misy resy tsy miady, fa izay mitsoaka an-daharana ihany no very. “Ny ambana ihany no sarotra”, hoy ny fitenintsika Malagasy, koa tokony ho sahy mametraka fanamby lehibe na iza na iza. Mila mahasahy mandrodana ny fomba fisainana, mam­pikatso ny fivelaran’ilay maha olona. Tsy maintsy mijoro sy mampiseho ny maha izy azy, fa tsy sanatrian-dresaka hialokaloka anatin’izay voalaza hoe “faharefoana” ny olona manana fahasembanana.
Ankilany, manana didy goavana ny olona manodidina ny sembana. Tsy tokony hipetraka ho mpanavotra na andry tsy maintsy iankinan’izy ireny. Mila manome hasina, mamerina amin’izy ireo ny fahatokisan-tena, voalohany indrindra. Betsaka no manapempo sy manao ny fomba rehetra tsy hivelarany, ahafahana manao tsindry hazo lena. Misy ny manao fanahy iniana amin’ny tsindrio fa lavo lava izao. manomboka ao an-tokantrano ny famolavolana ireny olona manana faha­samihafana ireny mba hanana hery sy herin-tsaina hanohitra ny sotasotan’ny fiainana amin’ny ankapo­beny. Ny ray aman-dreny, ny mpiray tampo no mpiara-miombo­nantoka voalohany, amin’izany. Sarotra ho an’ny olona aty ivelany izany hanaiky sy hanome lanja ny hafa izany, raha ny ao an-trano aza no manao mizana tsindrian’ila amin’ny levilevy sy ny fian­garan-janaka, ohatra. Santionany izay fa mitaky adidy ombam-pitiavana amin’ny fianakaviana izy ireo. Sady mila tohana no mila fampirisihina sy fahaleovan-tena izy ireny.
Manana adidy goavana amin’ny fampivelarana ny olona manana fahasamihafana, indrindra ny manana fahasembanana ny tomponandraiki-panjakana. Misy rahateo ny minisitera mpiahy azy ireny, saingy hatreto tsy mbola azo tsapain-tanana ny ezaka natao sy ny vokatra. Indray mandeha isan-taona anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena vao hita taratra ny hetsika. Tsy ampy ny politikam-panohanana sy fiahiana. Zara fa misy ny tetikasa mivantana sy mampandray anjara azy ireo. Ny mahasorena aza indraindray zary fitaovana, ho entina mitady famatsiam-bola fotsiny ny olona marefo. Vao lany ny vola, maty ny tetikasa. Boribory vetaveta toy izany hatrany. Mitaky politikam-pirenena matotra izy ireny satria tsy tokony ho sokajiana marefo. Azo apetraka ho mpiantsehatra feno ho amin’ny fampandrosoana firenena izy ireny.

r.r

Partager sur: