Auteur/autrice : Adnews

Lanonam-panokafana: nakotroka sady nampiaiky izao tontolo izao seho

Namirapiratry ny jiro maroloko ny kianja Al-Bayt tao Al Khor, omaly, nandritra ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2022”, taranja baolina kitra. Ankoatra izay, mitovy lenta amin’ny lalao Olympika ny zava-nisy. Nakotroka ary tena nampiaiky izao tontolo izao ny seho rehetra. Anisan’ireny ny dihy sy ny fihetsika […]

Vondrona «A»: nalain’i Ekoatera baraka ny Katarianina

Nanao be fiavy ny Ekoatera, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra «Mondial 2022». Fihaonana tanterahina any Qatar. Nomontsanin-dry zareo ny Katarianina, mpampiantrano. Avy hatrany dia nakan’ny La Banana Mecanica-n’i Ekoatera, isa 3 ny Katarianina, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny […]

ODSEF sy Instat: handraisana fanapahan-kevitra ny antontanisa tsara tahiry

Nifanaraka ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, amin’ny alalan’ny Instat, ary ny « Observatoire démographique et statistique dans l’espace francophone » (ODSEF), misahana ny antontanisa anatin’ny Vondrona mampiasa sy miteny frantsay any amin’ny Oniversite Laval, Québec Kanada, ny 18 novambra, fa hiara-kiasa.  Fiaraha-miasa amin’ny sampana iray manana traikefa lehibe hatramin’ny taona 1861 momba […]

WOT Award 2022: nahasarika tanora anjatony

Natolotra ireo mpandresy nandritra ny fifaninanana WOT award 2022 ny loka ho an’ireo mendrika isan-tsokanjiny avy, tetsy amin’ny IFM Analakely, afakomaly.  Tanora maherin’ny 200 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana. “Mizara ny traikefa ho an’ireo tanora ahafahany mivelatra amin’ny sehatr’asa mikirakira ny teknolojia ny antom-pisian’ny fifaninanana”, hoy ny mpikambana eo anivon’ny […]