Ambohipihaonan’ny mpankafy sary pika indray, ny eny amin’ny AFT Andavamamba, mandritra ity volana ity. Misy ihany koa ny fampirantiana ireo sary nampiasana famaitso, izay vokatry ny atrikasa nokarakarain’ny fikambanana Sar’nao. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo AFT Andavamamba, ny hetsika « Festival Sar’nao », andiany faha 14, miara-dalana amin’ny « mois de la photographie ». Nanomboka omaly, ary […]
Auteur/autrice : Adnews
Vokatra fanondrana : tsy misy singa very ny jirofo iray manontolo
Anisan’ny zavamaniry ilain’ny fianan’ny olombelona ny vokatra fanondrana raha ny eto Madagasikara. Tsy misy very fa ilaina avokoa ny momba izany, raha ho an’ny vokatra jirofo manokana. Maro ny zavatra azon’ny olona ampiasana ny vokatra jirofo, raha ny fanadihadiana natao. Manomboka eo amin’ny fakany, ny hodiny, ny tahony, ny tangozany ary ny raviny. Afaka […]
VAOVAO TAMBATRA
Niakatra 8,2 % ny vidin-tsakafo tao anatin’ny herintaona (septambra 2022-septambra 2023). Nahitam-piakarana 11,8% ny vidim-bary raha niakatra 10,2% ny vidin’ny enta-madinika (PPN). Nahitam-piakarana 10,2 % ihany koa ireo zava-pisotro tsy misy alikaola raha toa ka 7,3% kosa ny taham-piakarana ho an’ny fifandraisan-davitra. Hamokatra kitay vita amin’ny akofam-bary 20t isam-bolana ny […]
Telma : hanomboka ny internet «fibre Go»
Tolotra vaovaon’ny Telma eo amin’ny lafiny internet ny «Fibre Go». Matanjaka, tsy miovaova, sahaza ny rehetra, satria azo ampiasaina mandritra ny iray volana ny tanjaka 150Go, amin’ny sarany 99 000 Ar. Nilaza ny administratera tale jeneraly (ADG) ny Telma, Patrick-Pisal Hamida, fa «nanova ny andavanandrom-piainantsika ny revolisiona niomerika. Miezaka hatrany […]
Tsy ho folaka an-dantony!
Avo lenta loatra ilay kajikajy any anatin’ny filalaovana politika eto Madagasikara. Mibaribary fa viraviraina ilay vahoaka. Lalaovina ny fony, tsinontsinoavina ny hambom-pony ka atao sorona ny ainy. Mafy loatra ny fitiavam-pahefana ka tsy mahandry tantana. Mipololoatra toa tsy hay vonoina ny vainafon’ny fankahalana ka mitrifana. Indrisy anefa, mirona amin’ny […]




